Actualités

Toamasina Mpitsara iray nosamborina


  • Zoma 08 Oktobra 2010

Mpitsara iray, Rabehaja Jackie Ernest, izay miasa eo anivon’ny fitsarana ambaratonga ambony ao Toamasina no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana manao fanamiana, omaly antoandro, raha izy hamonjy fodiana iny indrindra.

Toy izao ny fanambarana nataon’ireo mpitsara SMM Toamasina mikasika izany : “Noho ny zava-nitranga ny 07 oktobra 2010 izay nisamborana ny mpitsara Rabehaja Jackie Ernest tokony ho tamin’ny 12ora sy 45mn teo amin’ny ‘section de recherché criminelle’, nataona miaramila manao fanamiana ary manana grady jeneraly sy kolonely niisa 08 na 10, nitondra fiara 4x4 fotsy WWT niisa 02 ka nitondra azy tany amin’ny RN2Bis izay nihazonana azy an-keriny sy nampihorohoroana ary nandrahonana azy tao anatin’ny ora efatra tao Tanandava Toamasina II. Izahay mpitsara SMM Toamasina dia manohitra ny endri-javatra toy izany ary manameloka izany tanteraka. Koa manainga ny ministry ny fitsarana handray ny andraikiny momba izay fampihorohoroana mianjady amin’ny mpitsara izao. Ny tolona anefa dia mitohy hatrany ary hihamafy manomboka izao”.

Tao anatin’izany raharaha rehetra izany dia milaza ny tsy nanome baiko sy tsy nahalala ny fisamborana ity mpitsara ity ny praiministra Camille Vital izay tonga ao Toamasina hatramin’ny omaly maraina. Ny ministry ny fitsarana, Razanamahasoa Christine, koa milaza ny tsy mahafantatra sy tsy nanome baiko na tamin’iza hanao ny fisamborana raha nangatahan’ireo mpitsara ireo fanazavana. Nahoraka be teto an-drenivohitra avy hatrany ny fisamborana an’ity mpitsara ity. Raha ny fantatra ary dia hisy ny fihaonan’ny SMM amin’ingahy Andry Rajoelina anio. Mihamafana hatrany, araka izany, ny raharaha ary heverina fa mipoaka ny sarom-bilany matoa tonga hatramin’ny fisamborana amin’izay. Fitokonana etsy, fitokonana aroa kanefa dia mbola miziriziry amin’ny heviny hatrany ny FAT ary tsy manaiky lembenana mihitsy fa efa tsy mandeha amin’izay laoniny intsony ny fitondrany ny raharaham-pirenena… 

Rakoutou/r.d

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT