Actualités

Toamasina Mpitandro ny filaminana sa hery famoretana ?


  • Alatsinainy 30 Aogositra 2010

Nanomboka ny alarobia teo no tonga tao Toamasina ny hery vonjy taitra avy amin’ny polisy na FIP Antanimora Antananarivo hanome tanana ny namany amin’ny fametrahana ny filaminana an-tanàn-dehibe.

Raikitra tokoa ny “opération”, ka tena andiany amin’ny fiara manokana tokoa ireo FIP Antananarivo sy ireo FIP Toamasina ary ireo polisy Toamasina no mirotsaka an-tsehatra. Eo indrindra anefa no mahabe resaka satria dia manjaka ny herisetra. Tsy ankanontany io fa dia midaroka izay sendra azy ary tsy mitsitsy fa izay mifanitsy ny lalany dia azy ireo avokoa, toa lasa herim-pamoretana indray. Misy amin’ireo voadaroka no tsy manaiky lembenana. Araka ny fantatra dia telo hatreto no sahy nijoro vavolombelona sy nitory. Raim-pianakaviana ny iray amin’izy ireo. Voadaroky ny polisin’ny FIP Antananarivo nanao fanaraha-maso amin’ny alina tao an-tokotaniny izy, raha sendra nivoaka fa naheno feo nigodogodona nanodidina azy.

Ny faharoa indray dia voan’ny totohondry sy tehamaina teo am-pilanonana anaty “cabaret” ara-dalàna satria nisy fanasana. Ny fahatelo kosa dia mpiasa hody alina avy niasa tsy nanontaniana kara-panondro akory fa avy hatrany dia daroka sy daka no nahazo azy. Ireo nitaraina ireo dia samy nampiseho ny taratasim-pitsaboany sy ny fitarainany avokoa. Ny fanontaniana mipetraka eo anivon’ny fiarahamonina ao Toamasina izao dia ny hoe “izao fidarohana olona izay sendra ireto FIP ireto ve no fametrahana izany filaminana ao Toamasina izany ?” sy ny hoe “Izao ve no iraka nampanaovina azy ireo, mba hanaovana hery famoretana ny olo-marina fa hampiriorio ny mpanao ratsy sy jiolahy mpitondra kalaky manana balan’ny zandary sy ny polisy mandrava mpandraharaha ?”.

Ireo tomponandraikitra nanontaniana ny tokony handaminana izao herisetra izao, dia samy tsy nilaza ny heviny sy niala sirika avokoa tsy te hiditra ao anatin’ny resaka. Nailik’izy ireo amin’ny mpaniraka ireo FIP ireto ny raharaha. Na izany aza dia fantatra fa efa nisy tatitra natao, ka samy miandry izay ho fivoarany ny rehetra.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT