Actualités

Toamasina Mitokona ny ladoany, mitaky ny fialan’ny Tale jeneraly


  • Talata 16 Novambra 2010


Nanomboka anio ny fitokanana fanairan’ireo mpiasan’ny ladoany ao Toamasina. Samy manao izany avokoa na ireo mpiasa ny ladoany eo am-bavahadin’ny seranan-tsambo, na ireo eo anivon’ny «Recettes des douanes», na ireo eo anivon’ireo orinasa goavana mampiasa mpiasan’ny ladoany ihany koa. Nisy noho izany ny fametrahana sorabaventy sy takelaka milaza izao fitakiana nataon’izy ireo izao. «Mitaky ny fialan’ny Tale jeneralin’ny ladoany Malagasy Vola Razafindramiandra sy ireo namany eto Toamasina», hoy ny fivakin’ny sorabaventy sasany. Nambaran’ny mpiasan’ny ladoany ao Toamasina ihany fa «hetsika fanairana no natao amin’izao fotoana izao, fa raha tsy misy ny fepetra raisin’ny fanjakana amin’ireo olona ireo sy ny fitakianay, dia hohamafisina ka ho lasa fitokonana faobe ity hetsika fanairana ataonay ity».

Milaza ny aorian’ny fifidianana moa ireo mpiasan’ny ladoany ireto vao hanao ity hetsika ataon’izy ireo ity, eo am-piandrasana ny valin’ny fangatahana sy ny fitakiana. Raha ny marina, ny fitanana am-ponja vonjimaika ilay mpiasan’ny ladoany noho ilay raharaha fanafihana ny volan’ny ladoany iny sy ny tsy nanoloana ity vola very izay saika nandoavana ny tambin-karamn’ireto mpiasan’ny ladoany ary ny fivoahan’ireo kaonteneran’olona eo anivon’ny seranan-tsambo izay mirongatra be tato ho ato, araka ny baiko midina sy amin’ny alalan’ny «ordonnance» avoakan’ny fitsarana avy eto Antananarivo, no mahatonga ity fitokonan’ny mpiasan’ny ladoany ao Toamasina ity. Dia andrasana indray izany ny ho tohiny, izay «baomba» manaraka indray ao Toamasina ankoatra ny raharaha SECES sy ny mpianatry ny oniversite ary ny raharaha ACOA. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT