Actualités

Toamasina Mitohy ny fandrobana ny orinasan-dRavalomanana


  • Talata 08 Janoary 2013

“Misaotra an-dRajoelina”. Izay ny soratra napetrak’ireo mpangalatra ny vy sy mpandrava ary mpanapotika ny orinasan-dRavalomanana ao Toamasina, tamin’ireo rindrin’ny orinasa mpanodina menaka (TOP II) eo anivon’ny tokotanin’ny seranantsambon’i Toamasina.

 Tsy fantatra mazava ny eritreritr’ireo mpangalatra nanoratra ity sorabaventy mitondra hafatra ity, fa ny zava-misy amin’ireo orinasan-dRavalomanana ao Toamasina, indrindra ny Top II, dia fahapotehana, faharavana, halatra mihoapampana ary fanimbana fananan’olona manokana. Ny zava-misy nefa dia mitazam-potsiny ireo milaza azy olom-panjakana, indrindra ny eo anivon’ny talem-paritry ny varotra Toamasina, izay nanankinan’ny fanjakana tetezamita hanara-maso sy natao hiambina ary hiaro ity orinasa ity nanomboka ny taona 2009 nandritra ny fametrahana ny “comité ad’hoc” nivarotan’ny FAT ny vary sy ny lafarinina ary menaka. Ilay fangatahana nataon’ny mpisolovava ny orinasa Tiko SA ny taona lasa amin’ny famerenana ny orinasa TOP II sy ny MANA amin’ny tompony aza, nolavin’ny minisitry ny fitsarana Rtoa Razanamahasoa Christine, tamin’ny alalan’ny naoty miampita nataony tamin’ireo lehiben’ny fitsarana teo aloha tao Toamasina.

Ny sabotsy 05 janoary teo dia nahatratra mpangalatra ireo vy sy karazana fantsona tao amin’ny Top II ny zandary teo anivon’ny seranantsambo. Dimy lahy izy ireo no nangalatra, saingy ny telo no tratra ambodiomby ny roa kosa afa-nitsoaka na efa nanapoaka basy aza ny zandary nanajanona azy ireo. Niditra an-tsehatra sy tonga nijery ny zava-nisy ireo mpikambana amin’ny Kongresin’ny tetezamita nahitana an’i Iandro Robertson sy Rakotoarimanana Justin ary Rtoa Voizy Blondine.

Efa nandray ny andraikiny ny zandary nanao ny fanadihadiana ary vonona ny hanolotra ireto mpanimba fananan-dRavalomanana ireto ny fitsarana, saingy ny tatitra tokony hataon’ny talen’ny varotra ao Toamasina no andrasana, ka tsy mbola nanolorana izany omaly. “Avereno amin’ny tompony ny fananany raha tsy vitanareo fanjakana FAT ny hiaro azy. Efa karazana valifatin’ny minisitry ny fitsarana sy ny filohan’ny FAT mihitsy izao zava-misy izao. Tsy mahasoa anareo ny fanimbana sy famotehana fananan’ny filoha Ravalomanana tahaka izao, satria an’ny fianakaviany manokana io”, hoy ireto mpikamban’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ireto namarana ny fanazavany.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT