Actualités

Toamasina Misy sambo mitondra aretina avy any Liberia


  • Alakamisy 17 Septambra 2015

Efa tena mby an-koditra ve ny fahasahiranana sy ny tsy fananam-bola no dia efa manao tian-kano tsy tian-kano ny fitondram-panjakana Malagasy ?

 

 Noraisina ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina  nanomboka  ny  talata  teo  ilay sambo  “Northern Endurance” mirefy 208 metatra kanefa  dia  fantatra izao fa  sambo mety hitera-doza amin’ny  tontolo iainana sy amin’ny fiarahamonina noho ity sambo ity  feno  biby mitondra loto sy aretina. Ny  zoma 11Septambra  teo no  saika  hiditra tao amin’ny  nosy la  Réunion  io sambo  io saingy  nolavin’ny “Prefecture” tany an-toerana noho izy  mety hitera-doza  amin’ny  fahasalaman’ny vahoaka. Ao Toamasina  anefa  ankehitriny  io sambo  io. Voalaza ao amin’ny mombamomba azy rehefa nohadihadiana fa avy any Liberia, firenena rotiky ny valanaretina Ebola ny sambo “Northern Endurance” ary voasokajy ho Cargo Hazard B (AIS Type) na mitondra akora tena mamparary. Asa indray izay fanazavana ho entin’ny fitondram-panjakana Malagasy amin’ity fampidirana sambo mitondra akora simika mankarary ao Toamasina ity.

Ragasy:Pesta,lefakozatra,haromotana mbola ampiana ebola..ka tsy tonga de izay no vita a!


Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT