Actualités

Toamasina May ny Bazaribe


  • Talata 24 Aogositra 2010

Ny alin’ny alahady hifoha omaly alatsinainy 23 aogositra tokony ho tamin’ny 11ora no nirehitra ny tsena tao Bazaribe Toamasina. Niainga avy amin’ny ilany avaratra atsinanana ny afo no nitatra ka niditra ny tsena afovoany, misy ireo mpivarotra enta-madinika sy ireo mpivarotra fanaka ary mpivaro-kena. Mpivarotra 71 no nanana fananana may kila forehitra tao.

Mitentina 175 tapitrisa ariary ny sandan’ny entana may sy kila tao.Tao anatin’ny iray volana izao dia ity tao Bazaribe ity no tsena fahatelo may. Talohany mantsy dia efa may koa ny tao Valpinson sy ny tsena kely misy ireo mpanety sy mpivarotra volafotsy ary mpanamboatra moto an-tsisin-dalana tao Tanambao V. Tsy nisalasala ireo mpivarotra may entana tao Bazaribe nilaza fa “niniana natao ity famaizan’ny tsena ato Bazaribe ity”. Toa nanamafy izany ny filazan’ireo mpiambina telo tao raha nanontaniana ny alatsinainy maraina fa nisy zavatra nipoaka mafy ren’izy ireo. “Nilodaka ny tsena taorian’izay ary avy hatrany dia teny ambovonana mihitsy”, hoy izy ireo. Ireo mpivarotra manodidina sy ireo mpiambina tranombarotra ao Bazaribe koa toa nanamafy izany ka nilaza raha nanontaniana fa tsy mba kely ny fanombohan’ny afo fa avy hatrany dia nirehitra be, ka samy gaga izay nahita. Ny mpamonjy voina koa anefa raha tonga dia tsy nisy varavarana hidiriny, ka voatery novakiana ny vavahady miditra ny tsena nahafahana namonjy ireo entana sisa tsy mbola lanin’ny afo. Niaro tena anefa ireo mpiambina telo lahy nilaza fa hialana amin’ny fanararaotan’ny olon-dratsy no tsy nanokafan’izy ireo ny tsena. Nilaza ho tsy nahatazana mpitandro filaminana koa moa izy ireo ka natahotra sao misy manararaotra mangalatra ireo entana tsy may.

Tsy nisy solika
Tompon’andraikitra voalohany amin’ny famonjena ny tsena may, izay fananan’ny Kaominina rahateo koa, ny mpamonjy voinan’ny Kaominina. Loza anefa ny nanjo azy ireo fa sarotra ny fihetsehana noho ny tsy fisian’ny solika. Araka ny fantatra dia efa efatra andro no tsy nanana solika, nefa izy ireo no mpamonjy voina voalohany ao an-tanàna. Hany ka tara, efa misasakalina mahery vao tonga. Ny tao Bazaribe anefa nilaza fa mahery kely ny tamin’ny 11ora alina no efa niantso mpamonjy voina ny Karana iray monina manodidina teo, manamarina izany rahateo ny fahatongavan’ny lehiben’ny Faritra talohan’ny nisasakalina. Nanamarina izany koa ny fiavin’ireo mpamonjy voina avy amin’ny tetikasa Ambatovy, nanaraka azy ny an’ny SPAT, sy ny avy amin’ny seranam-piaramadina (ASECNA) izay vao tonga ny an’ny Kaominina.
 
Alina nitrangan’ny famaizana dia efa tonga niatrika ny tompon’entana tao Bazaribe nizaha ny fandehan-javatra, ny lehiben’ny Faritra. Antsasak’adiny taoriany vao tonga ny PDS-n’ny Kaominina. Ho an’i Alain Mahavimbina dia “tsy maintsy mandeha ny fanadihadiana, ka raha olona no nahavanona ny fandoroana dia hihatra aminy ny lalàna velona, raha vokatry ny herinaratra kosa dia harenin’ny Kaominina tompon-toerana izany tsy hisian’ny tahaka izao intsony”. Ho an’ny PDS Rakotovao Mariot kosa dia nambarany fa “efa mandray an-tanana ny raharaha ny Kaominina, efa mandalo fanadihadiana ihany koa ny mpiambina ny tsena telolahy. Ho hita eo anefa ny fandehan’ny fanadihadiana ataon’ny polisy misahana ny heloka bevava”. Tsy azo ivarotana ny faritry ny tsena may manomboka izao, noho ireo vy efa antitra may sy efa ratsy ka mety hampidi-doza indray ny mety ho firodanany tsy ho ela taorian’ny fahamaizana ity.
 
Ankoatra izay, dia efa mandeha eo anivon’ny tsena ihany koa izao ny resaka manidina rehetra fa “tsy tongatonga ho azy ity firehetana tsena ity”, efa misy anaran’olona mandehandeha aza ao Bazaribe ankehitriny. Misy milaza koa fa misy mpiambina manokana tsena iray izay may tao ihany koa tsy hita ny misy azy ankehitriny, ka mampiahiahy sao fialonana eo amin’ny samy mpivarotra, na misy ifandraisany amin’ny raharaha politika, na fomba fanakorontanana tsotra izao noho ny zava-misy ny krizy iainana efa ho 18 volana izao. Tantara hafahafa ity, nefa mbola hitohy raha ny zava-misy no harahina.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT