Nivadika fandrobana fananan’olona ilay hetsika nataon’ny mpitondra posy nanehoany ny tsy fahafaliany, tamin’ny fanapahan-kevitra sy ny ambaran’izy ireo fa fanamparam-pahefana ataon’ny polisy monisipaly ao Toamasina.
Raha mbola nifanazava sy nifampiresaka ireo mpitokona tonga teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna dia raikitra ny fandrobana tamin’ireo tsena goavana tao Toamasina. Voalohany ny tao Bazary be. Lasibatra ireo mpivarotra zava-maneno sy trano fisakafoanana silamo. Nopotehin’ireo mpandroba ny entana tsy zakany. Saika ripaka avokoa ireo mpivaro-damba sy mpivaro-bary tao Bazary kely. Samy nibata izay zakany ireo mpandroba. Ny tao Tanambao V koa dia tonga amin’ny fiteny hoe : “rava ny tsena” satria tena fandravana no nitranga fa tsy halatra sy fandrobana intsony.
Olona 08 no voasabotry ny Emmo-Reg, ka ny 02 tratra teo ampangalarana mihintsy, fa ny 06 teo am-pitondrana ny zavatra avy nangalariny. Nisy nidaroka tao an-tranony tao Ankirihiry ny filohan’ny fikambanana ACT ho an’ny posy bisikileta.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.