Efa nampiomana ny sampana mpamantatra ny toetr’andro fa hirotsaka ny orana iny faran’ny herinandron’ny Noely iny, ary dia tonga tokoa ny mahalena.
Tsy teto an-drenivohitra ihany fa hatrany amin’ny faritra ihany koa. Tao Toamasina izao dia tsy nisy nanam-po ny rehetra fa tao anatin’ny oram-be izay niteraka rano nameno arabe sy ireo faritra iva, no namonjena fodiana ho an’ireo nivoaka nitondra ny ankohonany noho ny fetin’ny krismasy sy ny vavaka misasak’alina. Samy nanana ny nankalazany ny krismasy mantsy ny rehetra, tao ireo namonjy fiangonana izay tsy tahaka ny isan-taona ny fahatongavan’ireo mpino, teo koa ireo nitondra an-janany naka sary niaraka tamin’ny Dadabe noely teo amin’ny araben’ny fahalevantena manoloana ny Lapan’ny tanàna ary ireo mpianakavy sy andiana tanora namonjy ireo trano fandihizana sy fanaovana “karaoke” samy hafa teto Toamasina. Na izany aza, nilamina tamin’ny ankapobeny, feno mpitandro ny filaminana ny tanàna, tao ireo nandeha fiara, tao ireo nandeha an-tongotra ary teo ireo mandeha moto. Mbola nahitana mpivarotra maromaro hatrany hita nameno ireo tsena, indrindra mpivarotra akoho amam-borona.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.