Mirongatra ny ady tany ao amin’ny distrikan’i Toamasina faharoa. Tafakatra 50 isa hatreto ny fitarainana voarain’ny fikambanana HAFARI Malagasy any an-toerana, tarihin’ny filohany Rtoa Flavie Alexandrine.
Noho ny resaka fisolokiana avokoa no mahatonga izany raha araka ny fanazavany. Ireo tompon-tany indray no lasa tompony mangatak’atiny na koa miala maina mihitsy. Nomarihiny manokana fa tsy mitazam-potsiny ny fikambanana HAFARI Malagasy ao Toamasina izay tantanany fa manao izay vitany. Hatombony amin’ny fidinana ifotony mijery ny tena zava-misy marina. Arahin’ny fanaraha-maso akaiky ny taratasy momba ny tany rehetra. Eo koa ny fanomezana torohevitra ny tompon’ny tany hahafahan’izy ireny miaro ny fananany tsy ho lasan’ny hafa. Miady amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy sy ny ankizy ihany koa ny fikambanana ankoatra ny fampianarana teny anglisy ny tanora sy ny fanohanana ireo zokiolona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.