Actualités

Toamasina Hatramin’ny biraom-panjakana avy no tsy misy saina


  • Alatsinainy 14 Jona 2010

«Hambompom-pirenena sy fitiavan-tanindrazana», no lohahevitry ny faha-50 taonan’ny fiverenan’ny fahaleovantena. Anisan’ny manamarika izany ny fananganan-tsaina. Efa tamin’ny 05 jona teo no namoaka didy ny tokony hametrahana ny sainam-pirenena, ny lehiben’ny faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina.

Na eny amin’ireo biraom-panjakana aza anefa tsy mbola ahatazanana saina raha ny fanadihadiana natao ny faran’ny herinandro teo.

Mandeha ary izao ny fanentanana mafonja. Baiko hentitra no nomen’ny lehiben’ny faritra ho an’ny mpikarakara ny lanonana hahombiazan’ny hetsika rehetra. Etsy an-danin’izany anefa dia manana ny heviny amin’ny antony tsy ametrahany sainam-pirenena ny olona izay nanontaniana. Mizara roa ny antonym. Eo ireo milaza fa «inona no antony hananganan-tsaina, izay ambara fa hambompom-pirenena sy fitiavana tanindrazana ny hevitry ny faha-50 taona ?Ny zava-misy anefa dia ny Frantsay no mibaiko sy mitetika ny hanjanaka an-kolaka indray ny Malagasy amin’ny fanamafisana ny Frantsa-Afrika. Sarotra ny fiainana izao, ka raha vola 5.000 ariary hividianana sainam-pirenena tsy hapetraka raha tsy folo andro monja, tsy aleo ny kibo no vokisana dia milamina ny fety ! ».
 
Hevitra tera-bary avokoa izay fa ho an’ny hafa kosa dia « ny fotoana no mametra ny fametrahana izany, efa vonona ny sainam-pirenena ka folo andro mialoha ny fety no hametrahana azy ». Herinandro izao niezaka nanentana ny vahoaka ny lehiben’ny Distrika ka nilazany fa «raha tiana ny firenena, raha manana hambompo ny Malagasy fa azy i Madagasikara, dia marika goavana amin’izany ny fanajana ny sainam-pirenena sy ny fananganana azy ho mariky ny fety fiverenan’ny fahaleovantena». Anisan’ny nahazendana, ary mety nalain’olona sy ny vahoaka tahaka ny zava-misy amin’ireo biraom-panjakana ao Toamasina manamorona ny araben’ny fahaleovantena ny ankamaroany fa tsy misy saina ny ankamaroan’izy ireo. Ny biraon’ny faritra ihany no ahitana saina miavaka tsy tahaka ny fahita. Ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana ambony, ny Paositra Malagasy sy ny Telma, ny Biraon’ny fandrefesan-tany, ny Lapan’ny tanàna, ny Trésor, ny Banky foiben’i Madagasikara ao Toamasina, ny Cisco Toamasina I… raha tsy hitanisa afa-tsy ireo, dia tsy nahitana sainam-pirenena izy ireo hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Fanahy iniana ve izany sa tsy fankatoavana ny baikon’ny Lehiben’ny faritra sa midongy tsotra izao, fa izay aloha ny zava-misy.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT