Raha ny fiandohan’ny taona 2012 sy ny volana jona sy jolay teo no tena nandrenesana fakana an-keriny zanaka Karana tao Toamasina, dia lasibatra indray koa ny zanaka Karana iray mipetraka any Tahiti-Kely Antseranampasika omaly ho tamin’ny 1ora sy 50mn teo ho eo.
Raha ny fanazavana azon’ny mpanao gazety sy ny mpitandro ny filaminana mitambatra nahitana ny zandary sy ny polisy, mikatom-bava tanteraka ny fianakaaian’ity Karana nisy naka an-keriny ity. Fiara 4x4 mainty, no voalaza fa tonga teo am-bavahadin’ny “villa” misy ireto Karana ireto. Efa ela, araka ny voalazan’ny mponina manodidina, no efa nisaodisaody avy eo nijanona tsy lavitra ilay “villa” ity 4x4 mainty ity. Tsy avy hatrany dia niditra ireto jiolahy raha tonga ity tovolahy halaina an-keriny, fa mbola niandry fotoana elaela satria toa nokendrena amin’ny fotoana hiomanany hamonjy ny asany no hanaovana ny “opération”. Ny fanazavana izay hany azo ihany no nahafantarana fa zanaka Karana tompon’ny orinasa, mpanamboatra savony sy ny mpanadio menaka ao Androranga, ity tovolahy izay antsoina hoe “ABDOUL” nisy naka an-keriny ity.
Dimy lahy tsy nisaron-tava akory no naka azy an-keriny ary hatreto sy hatramin’ny nanoratana ny vaovao dia tsy mbola misy ny resaka fangatahana onitra tonga amin’ny fianakaviana; saingy nanamarika ny mpitandro ny filaminana fa amin’ny tranga toy itony dia mazàna tsy latsaky ny 200 tapitrisa Ariary ny vola angatahan’ireo mpaka an-keriny. Ity tovolahy Karana ity koa tsy vitan’ny tale jeneralin’ny orinasa, fa zanaka Karana mpanam-bola ihany koa ao Toamasina. Ho hita eo ny ho tohin’ny raharaha. Maro amin’ny mpitandro ny filaminana no manahy fa “mety ho sinema eo amin’ny samy Karana indray izao zava-misy izao, ka misy olona ampanaovina iraka mba hahazoana ny vola hifampizarana”. Toa manamarina izany ny tsy fanomezam-baovao na amin’ny mpitandro ny filaminana manao ny fanadihadiana aza, ataon’ireto fianakavana nisy naka an-keriny ireto.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.