Ny zoma izao no hamoahan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana ny valin’ny fifidianana ofisialy tamin’ireo Kaominina valo namerenana fifidianana tamin’ny 13 novambra teo, ka roa avy ny tao amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo, raha 4 ny tao Alaotra-Mangoro.
Morondava
Hotanterahina anio ny fankalazana ny fidirana ofisialy ho an’ny taom-pianarana 2015-2016 karakarain’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Miditra amin’ny andro faharoa anio ihany koa ny tsenabe ara-toekarena andiany voalohany «Renala» andraisan’ireo distrika dimy mandrafitra an’i Menabe anjara.
Aretina EBOLA
Vonona ny Malagasy amin’ny fifehezana ny valanaretina sy ny fandraisana an-tanana ny marary raha sanatria ka miditra eto ny Ebola izay nandripaka olona an’arivony tany Afrika andrefana. Nisy fiofanana nomena ny mpiasan’ny fahasalamana nofantenana manokana narahina fampitaovana, natao tetsy amin’ny hotapily manarapenitra Andohatapenaka – Antananarivo, nifarana omaly.
Vontovorona
Nampahery sy nanolotra fanampiana ny fikambanana Zazakely Sambatra nosahanin’ilay frantsay vavy, sady nanangana zaza malagasy roa, Véronique Geoffroy de Bourgie maty tamin’ilay asa fampihorohoroana tany Paris ny alin’ny zoma 13 novambra ny fiadidiana ny Repoblika sy ny governemanta tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny.
Sakaraha
Sarona ireo jiolahy nanafika pastera FLM ka nangalatra 3 hetsy Ariary, ny nanafika mpandraharaha iray ao an-toerana izay mpitondratenin’ny CENI ka nahazoan’izy ireo vola 2 hetsy Ariary ihany koa. Fanafihana niseho tamin’ity herinandro ity avokoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.