Actualités

Toaka gasy 12.200 litatra Tratran’ny FIP tao Fianarantsoa


  • Alakamisy 19 Martsa 2015

Ny alatsinainy 16 sy ny talata 17 martsa teo dia mpanao trafikana toaka gasy niainga avy any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinagny mifatra 12.200 litatra no saron’ny FIP Fianarantsoa notarihan’ny komanda Rafaliarivo Jules. Mifatra 200 litatra ny tratra ny alatsinainy ary mahatratra 12.000 litatra be izao no sarona ny talata teo. Voalaza, araka ny angom-baovao, fa fiara be roa avy any Vohipeno no nitondra azy ireo, nokasaina hoentina hiakatra an’Antananarivo,

 


 

 sy amidy ao Ilakaka sy Ikalamavony ireto toaka gasy ireto, izay misy raha teo ny tambajotra na mpamongady mpaka izany. Olona efatra ihany koa tratra niaraka tamin’izy ireo ankoatra ireo mpamily ny fiara vaventy sy ny mpanampy azy avy. An-kilan’izay, araka ny angom-baovao avy amin’ny FIP Fianarantsoa ihany, dia nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny tanàna Iavinomby Vohibola distrikan’Isandra, ka ny mpitam-bolan’ny kaominina no nisy nanafika nandritra izany izay mbola vadina mpandraharaha ara-omby any an-toerana no ho kandida ben’ny tanàna ihany koa. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ireo dahalo sy ny FIP, ka dahalo 04 no tratra tamin’izany raha naratra mafy teo amin’ny lohany noho ny bala nandalo kosa ny zanaka lahin’ny tompon-trano, izay efa nahazo ny fitsaboana azy tao Fianarantsoa ary efa tsy manahy ny aina ankehitriny.


 


 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT