Actualités

TJE 2017 Lasan-dRandriantsoa Mihanta Malala ny amboara


  • Talata 05 Desambra 2017

Notanterahina tetsy amin'ny foiben'ny banky BNI Madagascar Andohananalakely omaly ny fizarana loka ho an'ireo mpandraharaha Malagasy mendrika indrindra latsaky ny 40 taona tamin'ity taona ity.

na ny Throphee du Jeune Entrepreneur taona 2017, fifaninanana nokarakarain'ny banky BNI. Randriantsoa Mihanta Malala, mpamokatra, mpivarotra sady mpanondrana hanitra (epice) fanao amin'ny sakafo sy menaka (huile essentiel) no nibata ny amboara, tompon'ny orinasa Jacarandas any Toamasina.  Tao anatin'ny 13 taona monja no nivoaran'ny orinasa Jacarandas tahaka izao. Mampiasa olona miisa 156 izy ankehitriny ary efa mamatsy ireo tsena lehibe any ivelany, indrindra fa ireo mpanjifa sarotiny toy ny Amerikanina sy Eoropeanina. Nambaran-dRandriantsoa Mihanta Malala fa na dia Malagasy aza isika  dia tsy maintsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny vokatra vokarina mba tsy hamotika ny mpandraharaha Malagasy. Finoana no nahafahany nioitra tahaka izao. Fitaratra azo alain-tahaka ho an'ireo tanora mpandraharaha Malagasy manaraka indray, hoy kosa ny minisitry ny indostria Tazafy Armand. Nisy moa ny loka natolotry ny banky BNI ho an'ity renim-pianakaviana ity toy ny fahafahany mindram-bola tsy misy zanany, niampy vola 1 tapitrisa Ar. 500.000 Ar ny an'ny laharana faharoa.

 

Pati

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT