Tsy niandry ela fa omaly ihany, izany hoe ny ampitson’ny fanambarana nataon’i Marc Ravalomanana teny amin’ny Magro Tanjombato dia nanao be fiavy tany amin’ny Orinasa Tiko Andranomanelatra indray ny manampahefana ao Vakinankaratra,
notarihin’ny Prefen’Antsirabe, ny Lehiben’ny Distrikan’Antsirabe faharoa sy ny Talem-paritry ny Varotra Antsirabe sy ny talem-paritry ny tontolo iainana sy ny hay voaahary ary notronin’ny Emmo-Reg. Raha ny angom-baovao tany an-toerana dia fitsirihina ireo fanodinana izay ambara ho tsy ara-dalàna no nidinan’ireo tompon’andraikitra ireo tany an-toerana ka ho fanamafisana ny fanakatonana ity Orinasa Tiko ity, izay ampiasain’ny AAA no anton-dia. Tsara homarihana fa efa nisy ihany ny fifampiraharahana teo amin’ny mpitantana ny orinasa sy ny manampahefana tany an-toerana hatramin’izay nanakatonana ny orinasa izay , mba hikarohana ny vahaolana amin’ny hanokafana indray ity orinasa mpanodina ronono ho lasa laglasy sy yaourt ao Andranomanelatra ity. Tsy hoe nety be na tsy nety mihitsy ny fifampiresahana; saingy izao kosa dia mazava izany fa tonga masiaka ny fitondram-panjakana ary vonona ny hamingana tanteraka izay zavatra rehetra mamofompofona Ravalomanana. Raha ny loharanom-baovao avy tany Andranomanelatra omaly mantsy dia ny fanakatonana tanteraka ity Orinasa tantanin’ny AAA ity no baiko azon’ireo mpitondra ao Vakinankaratra ireo, satria tsikaritra fa mbola nahitana vokatra miparitaka ihany eny amin’ny tsena ka ambaran’ireo mpitondra ireo fa mihodina mangina amin’ny alalan’ny fampiasana gropy ity orinasa ity, saingy toa tsy nahita mpiasa tao an-toerana ireo tompon’andraikim-panjakana, raha ny loharanom-baovao ihany. Raha tsahivina moa dia efa nisy ny fangatahan’ny AAA Tiko ny hisokatra tamin’ny alalan’ny fanantontosana ireo anton-taratasy notakiana taminy saingy tsy mbola nivaly izany. Efa nisy ihany koa ny fangatahan’ity orinasa ity fanakatonana ireo orinasa miisa 5 eto Antsirabe, izay voaporofo fa tsy manana io taratasy notakiana tamin’izy ireo io toy ny Socolait sy ny Aquarelle sy ny Kobama sy ireo roa hafa, saingy tsy nisy valiny izany hatramin’izao. Ankoatra izay dia nisy ny fitoriana nataon’ity orinasa ity ny Jirama saingy toa natsipin’ny fitsarana Antsirabe any amin’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana izany raha ny re. Hatreto dia mazava ny resaka fa resaka politika ranofotsiny no hanakatonana ity orinasa mampiasa olona an’arivony ity no sady tsara fifandraisana amin’ny tantsaha satria hatahoran’ny fanjakana foibe amin’izao fotoana ny mpanorina azy.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.