Actualités

TIKO-AAA Andranomanelatra Hopotehina hatramin’ny farany


  • Alakamisy 25 Janoary 2018

Mazava ankehitriny fa ny hamotehana hatramin’ny farany ny Orinasa Tiko-AAA Andranomanelatra no ataon’ny fitondrana HVM amin’izao fotoana. Tsy nisy nidiran’ny fitakiana momba ireo antontan-taratasy notakiana taminy intsony ny baiko azon’ny mpitondra ao Vakinankaratra, eo ambany fitarihan’ny Prefen’Antsirabe fa dia ny fanakatonana tanteraka ity orinasa ity ary ny tsy hisian’ny vokatra Tiko eny amin’ny tsena intsony no antony.

Eny fa hatramin’ireo mpanangona ronono ka mamatsy ny Tiko aza moa dia re fa nahazo fandrahonana tamin’ny tompon’andraiki-panjakana ao Vakinankaratra avokoa. Omaly alarobia no nidina tany Andranomanelatra indray ny iraky ny prefektiora sy ny faritra, izay nanamarina ireo “scellages”, efa nataon’ny vadintany ny 12 oktobra sy ny 13 desambra 2017, izay niisa 19 tamin’ireo varavarana tao amin’ny ozinina ary dia nampiana 8 indray izany tamin’ity fidinana fahatelo ity na dia voamarina aza fa tsy nisy nipika ny efa teo.

Tsy nisy fangalarana herinaratra

Ankoatra izay, voamarina ihany koa fa tsy nisy ny fangalarana jiro, izay navoakan’ny lahatsoratra an-gazety iray satria dia nitondra vaditany hafa mihitsy, saingy niala maina ihany koa. Tsy nisy sahy nipoitra teny Andranomanelatra intsony moa na ny Prefen’Antsirabe na ny lehiben’ny distrikan’Antsirabe II, fa ny talem-paritry ny tontolo iainana sy ny ala ary ny haivoary no iraka nalefa teny niaraka tamin’ny vadintany sy ny mpitandro ny filaminana, izay kivy ihany koa fa tsy afa-manoatra. Raha ny fanazavana nentin’ny vadintany dia mbola tohina amin’ny fahitana vokatry ny orinasa Tiko eny amin’ny tsena ny mpitondra fanjakana ka nandray fanapahan-kevitra sy nanome baiko ny tsy tokony hisian’io vokatra io intsony mihitsy. Tetsy an-daniny dia napetraka ny sakana amin’ny fisavana ny fiara rehetra mivoaka an’Andranomanelatra na hianatsimo na hianavatra fa tsy tokony hisy vokatra Tiko hita any anaty fiara. Tanjona raha ny nambaran’ny vadintany dia tsy eken’ny fitondram-panjakana intsony ny hisian’ny vokatra Tiko ho hita etsy sy eroa. Raha ny tsilian-dresaka ihany anefa dia nanantena mafy ny Jirama fa hahita porofo amin’ny halatra Jiro ka izany no ho poro hanagadrana avy hatrany an-dRavalomanana Marc mba tsy hanaovana azy “Résidence Surveillée”, toy ny tany Antsiranana, izay mety tsy hitan’ny fitondrana intsony ny hanaovana izany ka io no saika hijokoana azy, saingy niala maina. Raha ny fantatra moa dia tsy hihevitra ny hamoaka ilay fahazoan-dalana notakiana taminy tany aloha mihitsy ny fitondrana satria efa mazava fa tsy hamela ny Tiko-AAA hiasa izy ireo ka minisitera 4 be izao no mamorona “Dossier”, tsy ahafahany misokatra intsony dia ny minisiteran’ny fahasalamana amin’ny alalan’ny minisitra Coach, ny Minisiteran’ny Indostria, ny Minisiteran’ny Fitsarana ary ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Ala ary ny Hay voary. Fantatra ihany koa tamin’ny resadresaka tamin’ireo tompon’andraikitra, izay tsy afa nanoatra noho ny baiko midina moa fa havoakan’ny fanjakana amin’ny herinandro hono ny fahazoan-dalana ho an’ireo orinasa hafa izay isan’ny tsy nanana ny « permis environnemental » koa teo aloha dia ny Socolait sy ny Tsarafy, ny LMM-Kobama, ny Aquarelle. Mbola ho tantara lava araka izany ity resaka Tiko-AAA ity sy ny fitondram-panjakana fa hatreto aloha dia mampidina hatrany ny fitiavan’ny vahoaka ifotony ny fitondram-panjakana sy ny HVM ny fihetsika ataon’izy ireo, izay hita porofo tao Andranomanelatra moa izany rehefa tena miresaka amin’ireo olona ifotony ny mpanao gazety.

Caius R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT