Actualités

Tia tena loatra


  • Talata 25 Aogositra 2015

Manomboka hafahafa ny toe-draharaham-pirenena, toa niverina indray ny resaka baomba vita malagasy anaty harona sachet,

 
 miha mafy ny fitakian’ny mpianatra, nisy ny fisamborana sy ny olona naratra. Sangodim-panina tsy hifankahitana ny eny amin’ny antenimieram-pirenena, ilay zavatra iadian-kevitra hotohanana na tsia tsy hita akory ka any amin’ny fanangonan-tsonia sahady no mampihazakazaka. Ny filoha sy ny praiminisitra toa samy milaza fa tsy mbola fotoan’ny hikitihana ny governemanta izao, ireo olom-boafidy sy mpanao politika anefa efa miomana hiditra anaty governemanta, ny sasany aza dia efa nanao fety mihitsy fa hoe hisondrotra grady, hono. Ampy hanambarana izany rehetra izany fa tsy milamina ny toe-draharaha, mbola anaty krizy i Madagasikara ary fanina ny mpitondra fanjakana tsy mahita izay tena lalan-kizorana hivoahana ny tonelina mainty. Toa miteraka olana vaovao hatrany ny fifidianana atao, tsy misy mety izay fifanarahana soniavina, mampifamaly foana izay rafitra ajoro. Na ny mpanelanelana aza vaky vava fa sarotra alamina ny Malagasy.Mety ilay finiavana hilamina sy handray andraikitra ho amin’ny tombontsoa iombonana mihitsy angamba no tsy ampy fa samy tia tena loatra e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT