Actualités

Tezitra ny vahoakan’Ambondromisotra Hamono ho faty izay dahalo tratra ambodiomby


  • Alakamisy 20 Septambra 2012

Isan’andro dia andrenesana asan-dahalo ao amin’ny Kaominina Ambondromisotra Distrikan’Ambatofinandrahana Faritra Amon’i Mania.

 Tezitra ny vahoaka any an-toerana manoloana ny fisian’ireo dahalo tratran’izy ireo sy ny mpitandro ny filaminana hatramin’izay nefa avotsotry ny tompon’andraikitra sasany ka nanapa-kevitra ny hamono ho faty izay dahalo tratra ambodiomby manomboka izao. Manana dina manokana mifehy ny fandriampahalemana ity Kaominina ity izay tarihin-dRtoa Hajarilala sy ny ekipany. Tsy manana fahefana hitifitra dahalo izy ireo fa miara-miasa akaiky amin’ny mpitandro ny filaminana ka manao angaredona manenjika ireo dahalo rehefa misy asan-dahalo miseho. Tsy misahana ny Kaominina Ambondromisotra ihany ity dinam-pokonolona ity fa misahana ny Kaominina Ambatomifanongoa sy Soavina izay mpifanolobodirindrina aminy.

Vokatr’izay fiaraha-miasan’ny dina amin’ny mpitandro ny filaminana izay dia nisy ny fidinana in-droa miantoana nataon’ny Lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria ao Amoron’i Mania sy ny Kaompanian’ny Zandary ao Ambatofinandrahana nanazavana tamin’ireo Fokonolona ny paik’ady tokony hatao hisorohana ny asan-dahalo. Tsy mbola maharaka amin’ny filàn’ny vahoaka mantsy ny isan’ny mpitandro ny filaminana miasa any an-toerana ka manjakazaka ireo dahalo any amin’ireo Fokontany maro. Marihana fa efa nisy ny dahalo maty voatifitry ny Zandary tany an-toerana rehefa nanohitra azy ireo. Tany amin’ity Kaominina Ambondromisotra ity ihany koa no efa nisy fitsaram-bahoaka nihatra tamin’ny dahalo roalahy nandositra tao amin’ny toerana nitazonan’ny Zandary azy.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT