Actualités

Tezitra ny mpiasan’ny AAA-Tiko “Akatony koa ny Socolait”


  • Zoma 15 Desambra 2017

Miakatra indray ny maripana mikasika ny fanakatonana ny Orinasa AAA any Andranomanelatra Antsirabe, izay mampiasa sy manofa ny fitaovana sasantsasany an’ny orinasa Tiko.

 

 Mahavalalanina ny zava-misy satria nampiatoana tsy niasa ny orinasa AAA noho ny filazana fa tsy manana fahazoan-dalana ara-tontolo iainana, kanefa marobe, indrindra indrindra ao Vakinankaratra no tsy manara-dalàna sy tsy manana io fahazoan-dalana ara-tontolo iainana io. Anisan’ny novakian’ny mpiasan’ny orinasa AAA bantsilana ny Socolait sy Aquarelle, izay tsy manana izany fahazoan-dàlana ara-tontolo iaiana izany velively, saingy mihodina sy miasa ara-dalàna. Mbola afaka mihodina ara-dalàna tsara ireny satria tsara fifandraisana sy miara-mibizina amin’ny mpitondra angamba ny tompony. Amin’izao ankatoky ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona izao kosa dia fianakaviana an’arivony no mitaintaina fatratra noho ny fanakatonana ny orinasa Malagasy niasany dia ny AAA. Ny an’ny vahiny kosa kosa manao izay tiany hatao satria afaka manambitamby ny mpitondra sy afaka miara-mibizina aminy angamba. Ny tena ambetin-tenin’ny mpiasa da izao hoe aza asiana ambadika politika, fa hakatony ihany koa ny Socolait sy ny hafa, izay hitam-poko hitam-pirenena fa tsy manara-dalàna sy tsy mahafeno fepetra, fa tsy ny orinasa Malagasy hatrany no hilam-baniny sy gafiana noho ny hambom-po politika. Akatony ny orinasa Socolait, hoy ny rehetra fa aza asiana tombo sy hala, raha tena mihatra eto amintsika ny tany tan-dalàna, fa tsy kajy  maloto ara-politika no hamotehana fiainana Malagasy an’arivony. Tsara ny manamarika fa efa nametraka ny antontan-taratasy tany amin’ny amin’ny minisitera voakasika sy efa eo am-pikarakarana ny fampanarahan-dalàna na ny “mise en conformité” ity orinasa ity no nilatsaka ny didy mampiato azy. Fampiatoana no nambara kanefa fanakatonana no natao, ary tsy voahaja ny ampahany betsaka amin’ny lalàna mahakasika ny fampiatoana sy fanatsaharana orinasa iray. Efa miezaka sy manao izay ho afany ny orinasa AAA mameno ireo fepetra takian’ny fanjakana, saingy tsy nisy hatramin’izao ny fitsirihana sy ny fanamarinana tany an-toerana hahafahana manome alalana ny AAA hisokatra sy mahafeno ny fepetra takiana. Aiza ho aiza ny minisiteran’ny Indostria ? Hahasahy hanao dadabenoely ve ny minisitra ka hanafoana ilay didy mampiato ny AAA tsy hihodina na efa feno aza ny fepetra sa mbola matahotra ny…!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT