Araka ny filankevitry ny minisitra natao ny 27 febroary teo, hoy ny fikambanana Collectif tany, dia toerana miisa 4 dia Antsiranana, Fianarantsoa, Toliara samy tampon-tanàna ary Analamanga no voakasiky ny tetikasam-panjakana momba ny tontolo iainana na ilay hoe horakofana ala I Madagasikara.
Mifamatotra amin’izay moa, araka ny fanazavana, dia hisy koa ireo fotodrafitrasa voatery hanohintohina ny fivelomana sy ny fonenan’ireo mponina toy ny fanavaozana sy fanamboaran-dalana sy asa fanamboarana hafa ho amin’ny filan’ny olom-pirenena. Mitaky ny mangarahara mikasika izany, araka izany, ity fikambanana ity ary mametraka fanontaniana maro toy ny hoe rehefa alana amin’ny toerana nivelomany ireo mponina dia mankaiza? Ahoana ny fiahiana ara-tsosialin’izy ireo mandra-pahavitan’ireo foto-drafitrasa? Ary mba isan’ny hisitraka ny fahavitan’izany foto-drafitrasa izany ve izy ireo?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.