Mivelatra amin'ny lafivalon'ny Nosy ny fifaninanana mamorona tetikasa mifandraika amin'ny fampiroboroboana sy ny fandraisan'andraikitry ny vehivavy nampisalorana ny lohahevitra hoe "Vehivavy mizaka tena ara-toekarena",
eo ambany fiahian'ny minisiteran'ny mponina, tarihin'ny minisitra Onitiana Realy. Fikambanam-behivavy manana sata ara-panjakana araka ny didy hitsivolana lah.60-133 tamin'ny 3 oktobra 1960 ihany no afaka nandray anjara. Nifarana afak'omaly ny fanaterana ireo pitsopitsony nilaina, ka nahatratra 551 ireo fikambanana sy ny tetikasa avy amin'ny faritra 22 eto Madagasikara, izay hisafidianana ny 3 mendrika indrindra. Horaisin'ny minisiteran'ny mponina an-tanana ny famatsiana ara-bola amin'ny fanatanterahana ny tetikasa 3 voalohany, ka vola 35 tapitrisa ariary no natokana amin'izany. Ny fikambanana sy ny tetikasa laharana voalohany dia hahazo 20 tapitrisa ariary. 10 tapitrisa ariary kosa ho an'ny faharoa ary 5 tapitrisa ariary no anjaran'ny fahatelo. Maro ny dingana arahina hahafaha-mamoaka ireo tetikasa 3 mendrika ireo. Hosafidiana ireo 3 mendrika isaky ny faritra, ka ireo tompon'andraikitra sy mpitsara efa voatokana any amin'ny faritra no hisahana izany. Hisy ny fidinana ifotony sy fihainoana ireo mpifaninana. Ho lasa 3 isaky ny faritany indray izany avy eo rehefa voasafidy ireo hita fa maharesy lahatra, ka ireo 3 isaky ny faritany izay manome 18 ireo no hiatrika ny dingana famaranana. Ny 6 martsa 2017, dia samy hampahafantatra sy handresy lahatra ny mpitsara mikasika ny tetikasany amin'ny alalan'ny famelabelarana azon'ny besinimaro hatrehina ny fikambanana tsirairay avy. Ny 8 martsa mandritra ny fanamarihana amin'ny fomba ofisialy ny andron'ny vehivavy, hatao eto an-drenivohitra ny fanolorana ny loka ho an'ireo 3 mendrika indrindra. Mandritra izany no hisian'ny hetsika isan-karazany, ka hiavaka ny fanehoan'ny vehivavy ny talentany "Vohitra kanto Fihary". Tsy diso anjara ny "Andriambavilanitry ny kanto Malagasy", hetsika hivondronan'ireo vehivavy kintan'ny hira sy ny zava-kanto eto amintsika. Hanamarika ny hetsika ihany koa ny "Rodobe ho an'ny vehivavy mahefa", ary ny famelabelarana sy adihevitra mikasika ny fahaleovantenan'ny vehivavy sy ny fifandraisany amin'ny fampandrosoana lovain-jafy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.