Nifarana ny tetikasa lalankely andiany faha-2 eto Antananarivo novatsian’ny sampandraharaha Frantsay momba ny fampandrosoana na ny AFD vola hatrany amin’ny 5 tapitrisa Euros na 12,9 miliara ariary.
Nijery imaso ny tetikasa omaly alarobia 14 martsa 2018 ny sekreteram-panjakana frantsay misahana ny fiaraha-miasa, Jean Baptiste Lemoine, notronin’ny Masoivohon’i Frantsa Véronique Vouland, ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina, ny avy amin’ny AFD, ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana, ny minisi-panjakana misahana ny tetikasan’ny filoha Ramarcel Benjamina Ramanantsoa, ny minisitry ny Rano Lantoniaina Rasoelison,…. Anisan’ny toerana naleha ny teny Ankazomanga izay nanaovana lalankely vita amin’ny rarivato sy simenitra hatrany anaty tanàna. Nihazo ny teny Manarintsoa Atsinanana ny delegasiona nijery ny “Station de Pompage” taorian’izay. Fantatra fa hosoloina avokoa ny fitaovana amin’ireo “Station de Pompage” dimy eto Antananarivo ka anisany ny etsy Manarintsoa Atsinanana. Ny Ben’ny tanànan’Iarivo Lalao Ravalomanana manokana, dia nanamafy fa mila miara-miasa ny fanjakana sy ny CUA mba tsy hahafabaraka manoloana ireo mpamatsy vola, ka ilaina ny fihaonana mba hametrahana ny rindran-damina izay ilaina. Manana andraikitra ny mponina fa tsy mifanilika ary ilaina ny ipetrahan’ny fifampifehezana na ny “discipline”, hoy izy. Tombontsoa azon’Antananarivo manontolo avy amin’ny tetikasa lalankely ny fifehezana ny fiakaran’ny rano amin’ny faritra iva, ny fiatrehana sahady ny fiitaran’ny tanàna sy ny fitombon’ny mponina,... Efa mifarana ny andiany faha-2, ary an-dalana ny fikarakarana ny tetikasa lalankely andiany faha-3, ka kaominina 27 no hahazo tombontsoa, anisan’izany ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ny AFD no hamatsy vola mahatratra 19 tapitrisa Euros. 3 tapitrisa Euros kosa no homen’ny Vondrona Eoropeanina amin’izany. Tsy averina avokoa ny famatsiam-bola amin’ny tetikasa lalankely fa fanomezana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.