Actualités

Tetikasa “Grand Tana” Novelomina indray


  • Talata 24 Martsa 2015

Mametraka ho laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina an-tanŕn-dehibe sy ny fanatsarana ny toerana onenany ny fitondram-panjakana ka manomboka miresaka indray ilay tetikasa goavana « Grand Tana » na ny fanamboarana, fanatsarana sy fanitarana an’Antananarivo Renivohitra mba ho azo iainana kokoa noho ny misy amin’izao fotoana.

 

 


 

 Nampiantso ireo teknisianina, manampahaizana momba ny mari-trano, mpandraharaha sy ny firaisamonim-pirenena teny Iavoloha omaly ny filoha Hery Rajaonarimampianina ho fandinihana ity tetikasa goavana ity. Tsy ny fanjakana irery ihany no voakasiky ny fanatsarana fa ny olom-pirenena tsirairay dia samy tompon’andraikitra, hoy ny filoha. Zavatra tsy maintsy alamina, ohatra, ny momba ny lakan-drano sy ny fanariana ny rano maloto sy efa avy niasa mba ialana amin’ny fisian’ny tondra-drano lava eo an-drenivohitra. Tsy zava-baovao moa ny tetikasa « Grand Tana » fa efa anisan’ireo tao anatin’ny fandaharanasan’ny fitondrana Ravalomanana niaraka tamin’ny MAP ny taona 2006 ka izao novelomina izao indray satria hita sy tsapan’ny rehetra fa tena ilaina.


 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT