Maro ireo manakiana ity tetikasa Beach Soccer ao Mahajanga ity satria dia tsy ara-dalàna loatra ny fananganana ireo fototra hijoroan’ireo tetezana sy ny arofanina amin’ny sisin-dalana.
Orinasa avy any ivelany no mandray an-tanana ity tetikasan’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina ity izay tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny tanàna. Miainga avy eo amin’ny orinasa Solima ny fanamboarana izay ny tetezana no nanombohana azy ary mipaka hatrany amin’ny village touristique. Voatery no ravaina ireo trano manamory ny lalana rehetra izay misy ny tetikasa fanamboarana izay niteraka disadisa teo amin’ny tompon’ny tany sy ny kaomina Mahajanga ny fanesorana azy ireo teo amin’ny toerany. Etsy andaniny dia miteraka ahiahy amin’ireo vahoaka ao an-toerana ity tetikasa fanatsarana ity satria dia tsy mbola ampy iray volana akory izay no nisy maty tao amin’ny ranomasina manory ny tetikasa Beach soma village io ka ho maro indray izany ny razana mety ho hita rehefa vita ny tetikasa io. Na dis tsy mbola vita azan y asa fanamboarana dia efa faty maro no nivoaka tamin’io toerana misy ny tetikasa ny fitondrana izao. Tsy misy ny fijerena mialoha ny toerana hanatanterahina ny asa fa rehefa akaiky Tanana dia natao izany. Tolo-kevitra maro anefa no azo atao amin’ny fanatsarana ny Tanana oty ny fanamboareana ny lalana makany amùin’ny ranomasina ny petite Plage sy Grand pavois izay insany toerana mampalaza an’I Mahajanga ka tokony ireny no havoezina sy hatsarana fa tsy ny toerana izay efa malza fa mamono olona indray no handanian-bola oty ity ao amin’ny Mahavoky ity.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.