Actualités

Tetikasa ASAMA sy Post ASAMA Tsy manana tetibola hiasana


  • Zoma 09 Jolay 2010

Tafajoro ankehitriny ny PACA izay tambajotra iarahan’ireo fikambanana 30 manatanteraka ny fandaharam-pampianarana ASAMA sy ny post ASAMA. Ny ASAMA moa dia ny fampidirana an-tsekoly ankizy tsy mbola nianatra mihitsy sy ireo nitsoaka an-daharana ka ao anatin’ny 10 volana no anomanana azy ireo hiatrika ny fanadinana Cepe.

Ankizy 11 ka hatramin’ny 17 taona no raisina ao anatin’ny fandaharan’asa ka ny Fokontany sy ny Kaominina kosa no manolotra ny anaran’ireo horaisin’ny fikambanana isanisany an-tanana. Ny post ASAMA kosa dia fanohizana ny fanabeazana ireo ankizy aorian’ny fahazoany ny Cepe ka ampianarina asa mifandraika amin’ny zava-misy any amin’ny faritra misy azy ireo mpianatra amin’izany. Mbola ao anatin’ny tetikasa andrana ny post ASAMA ankehitriny fa roa ihany ny mpianatra manaraka fiofanana araka ny fanazavan-dRatiarison Hanta, filohan’ny tambajotra PACA.

Na dia tsy manara-penitra aza ny fandaharam-pampianarana omen’ny ASAMA sy post ASAMA dia ankatoavin’ny ministeran’ny fanabezana izy noho ny soa entiny. Ankizy 800 isan-taona mantsy no mahazo fanabeazana maimaimpoana avy amin’ny ASAMA ka afaka miatrika ny cepe. Mahafa-po anefa ny vokatra azo satria mahatratra 70% ny taham-pahafahan’ny ankizy amin’ny ankapobeny. Olana ho an’ireo fikambanana 30 ny lafiny enti-manana satria tsy manana mpamatsy vola intsony izy ireo. Ny PNUD na Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana hatrany teo aloha no niantoka ny fandaniana efatra tapitrisa ariary isan-taona isaky ny kilasy saingy tapaka io famatsiam-bola io noho ny toe-draharaha ara-politika. «Mbola cellule nationale no nandrindra ny asa sy lafiny ara-bola teo aloha saingy tsy maintsy nitady rafitra hasolo io izahay rehefa tsy nisy intsony ny vola. Izay indrindra no antony nanangananay tambajotra mba hikaroka mpamatsy vola hafa. Soa ihany fa maro ireo mpamatsy vola tsy miankina vonona hiara-hiasa sy hanome tanana anay», hoy i Ratiarison Hanta.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT