Actualités

Tetikasa Asa vonjy Aina Haharitra 10 andro ny fanadiovana ireo lakandrano


  • Sabotsy 20 Janoary 2018

Hanatanterka asa mandritra ny 10 andro ny tetikasa Asa Vonjy Aina. Distrika miisa 10 manerana an`ì Madagasikara no hanatanterahana ny tetikasa ka fianakaviana eo amin`ny 8 400 mahery no hisitraka azy.

  Raha ny teto an-drenivohitra dia tetsy amin’ny fokontany Antohomandinika III G Hangar sy Anosizato Atsinanana no nanokafana ny asa ary hitohy any amin’ny faritra hafa. Ny fiadidiana ny Repoblika no mikarakara ny hetsika izay sandaina 5.000 ariary isan’olona ary olona miiasa 150 isaky ny fokontany no hanao ny asa. Raha ny tetsy Antohomandinika III G Hangar dia ny fisokirana ireo fako anaty lakandrano mirefy 1 600 metatra ary ny fanariana azy any anaty dabam-pako no tena ifotoran’ny hetsika mba ahafahan`ny rano maloto mivarina eny amin’ny Station de Pompage etsy Ambodimita. Ankoatra ny fananana tanàna madio dia tanjon’ny fitondram-panjakana ihany koa ny hanampy ireo olona sahirana. Tsy afa-bela amin’ny tondra-drano ny faritra iva. Tanjona hoy ny talen’ny kabinetran ny primatiora, Atoa Rakototafika Fostant, dia ny fijerena ifotony ny olana eo amin’ireo faritra izay nametrahan’ny rivodoza AVA takaitra. Na dia eo aza ny filofosan’ny fitondram-panjakana amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa eny amin’ireny faritra iva ireny dia mitaky fiovan’ny toe-tsaina ny fampandrosoana. Ny hita sy tsikaritra dia vao tsy mielina akory ny herinandro nisokirana ireny tatatra sy lakandrano ireny dia efa tototry ny fako sy tavoahangy plastika sahady. Tsy ampy ny fanabeazana ny mponina amin’ny fanajana ny fotodrafitrasa. Marihina fa ny tetikasa dia novatsian’ny Banky Iraisam-pirenena ary ny FID no manara-maso ny fanatanterahana ny asa. Entanina ny olom-pirenena mba hanaja sy hiaro ny fotodrafitrasa mba holovain’ny taranaka.

Marigny A.

           

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT