Ny teny amin’ny distrikan’Avaradrano sy Atsimondrano indray no nisitraka ny tetikasa “Asa avotra Mirindra” eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny mponina sy ny fampiroboroboana ny vehivavy tarihin’ny minisitra Onitiana Realy.
Efa 3 taona izay no nanombohan’ity tetikasa ity, ary toerana maro no nisitraka azy nanerana ny Nosy. Fanajariana ny tanàna amin’ny alalan’ny asa tanamaro na HIMO amin’ny ankapobeny no atao, ka sady manatsara ny tontolo misy azy ny olona no mbola sandaina vola ihany koa. Ho an’ny teny amin’ny faritra Atsimondrano, lakandrano mirefy 5km no nodiovina ka vahoaka miisa 1500 tao amin’ny kaominina Ankadimanga no nanao ny asa nandritra ny 3 andro. Hahafahana manondraka tanimbary 420ha, mamelona tokandrano hatramin’ny 1600 izany. Homen-danja ihany koa ny fanajariana ny toho-drano mba ho ampy amin’ny filana ara-drano. Hanampy betsaka ny tantsaha amin’ny famokarana taorian’ny tsy fahatomombanan’ny fotoam-pambolena in-droa niantoana vokatry ny tsy fampian’ny rano ny nanatanterahana ny tetikasa. Tamin-kafaliana tanteraka no nandraisan’ny mponina ny minisitra Onitiana Realy, izay nidina ifotony teny Ambohimidasy-Ankadimanga mihitsy ny 8 novambra lasa teo nandritra ny fanombohana ny tetikasa tamin’ny fomba ofisialy. Ho an’ny teny Avaradrano kosa, dia nifantoka betsaka tamin’ny fanadiovana lakandrano ihany koa ny asa, ka 2500m no tafaverina amin’ny laoniny, izay hahafahana manondraka 100ha, ka ny 500m dia ho an’ny velaran-tany 10 ha ho an’Ambohitrarahaba. Ho an’i Sabotsy Namehana, dia 5000 m hahafahana manondraka 400ha ho an’Antsofinondry sy Ambohibary. Tsy adino ihany koa ny eny Ambohimangakely mirefy 2000m ho an’ny tanimbary 8 ha. Distrika 2 izany izao no nisitraka ity tetikasa ity, ka lakandrano 15km no voajary, ary olona hatrany amin’ny 4000 no nistraka tombontsoa tamin’ny tambin-karama hatramin’ny 5000Ar isan’andro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.