Actualités

Tetikasa Ambatovy : Tsy omen’ny Fat fahazoan-dalana hamokatra


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2012

Hatreto, na dia efa nisy aza ny fifampidinihana teo amin’ny governemanta Malagasy sy Ambatovy natao dia tsy mbola nahazo ny fahazoan-dalana hamokatra ny tetikasa Ambatovy.

 Io fahazoan-dalana io anefa no hahafahan’Ambatovy mamokatra ara-barotra, raha ny lalana. Araka ny fantatra anefa dia efa eo am-pamaranana ny dingan’ny fanodinana ny ozinina ao Toamasina sy ny andrana teknika ny tetikasa. Mitohy hatrany ny dinika eo amin’ny governemanta Malagasy sy Ambatovy hahazoana izany fahazoan-dalana izany. Tao anatin’izay dingana fanorenana izay moa dia tsy latsaky ny 500 ireo orinasa niara-niasa tamin’Ambatovy. 2.400 tapitrisa Ariary ny fifampiraharahana ara-barotra nateraky ny tetikasa. Ankoatra izay ny famoronana asa an’arivony, ny fampidiram-bola vahiny, ny fanofanana eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny fifandraisana ara-barotra lavitr’ezaka. Raha tsiahivina dia nickel 6 alina taonina sy cobalt 5.600 taonina isan-taona no heverina fa hivoaka ao Ambatovy ato anatin’ny telopolo taona ho avy.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT