Actualités

Tetikasa Ambatovy Tsararivotra Mitokona indray ny mpiasa nanomboka omaly


  • Sabotsy 28 Aogositra 2010

Niverina nitokona nanomboka omaly zoma 27 aogositra, indray ny mpiasan’ny tetikasa Ambatovy ao Tsararivotra Betainaomby raha efa nanomboka niasa taorian’ny savorovoro noho ny fisiana mpiasa iray maty tao amin’ny orinasa, iray volana lasa izay.

Raha ny fanazavana sy ny taratasy nataon’ireo mpiasa dia antony telo no mahatonga azy ireo mitokona amin’izao fotoana izao. Mifantoka amin’ny tsy fanajana ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa ny anton’ity fitokonana ity araka ny fahitan’ny mpiasa ao Ambatovy azy, dia ny hanomezana tombondahiny ny «tompon-tany». Takian’izy ireo koa ny tsy hanaovana ny fizaham-pasalamana ao amin’ny OMSI amin’ny fandraisana mpiasa fa hafindra any amin’ny hopitalibe. Mandrahona ny hanitatra ny fitokonana ho lavareny izy ireo raha tsy mahazo  valiny haingana.

Ho an’ny tetikasa Ambatovy kosa, dia nambaran’izy ireo fa “manana zo hifidy sy hisafidy ny mpiasa tiany ny Sherritt izay hitantana sy hanodina ny orinasa fisivanana nikela sy kobalta. Tsy mpiasa tsotra na teknisiana tsotra izany no ilainy fa teknisiana manampahaizana manokana afaka hifehy ny orinasa goavana tahaka ity fitrandrahana nikela sy kobalta ity”. Araka ny fanazavana azo ihany koa dia, “ny fahitana ireo mpiasa marobe, an-jatony, tonga miasa sy mizaha ny fandehan’ny orinasa ao Tsararivotra Betainaomby avy amin’ny faritra maro fa tsy marina ny hoe avy ao Antananarivo ihany, eo anivon’ny site Tsararivotra no anton’izao nampisafoaka ny mpiasa izao”. Nambaran’izy ireo ihany koa fa “tsy Antananarivo irery no misy sekoly ambony mpanofana teknisiana ambony momba ny orinasa goavana tahaka itony, fa ahitana izany koa any Antsiranana sy Fianarantsoa”. Nilaza moa ny teo anivon’ny tetikasa Ambatovy, fa “efa misy ny fifampiresahana eo aminy sy ny mpiasa mitokona hanazavana ny fandehan-draharaha. Omaly tolakandro no tokony ho nanaovana izany, fa tsy tanteraka noho ny tsy faneken’ireo mpiasa mitokona ny nihaona tamin’ireo iraka nalefan’ny tetikasa hifandinika amin’izao olana izao”.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT