Actualités

Tetikasa Ambatovy Tanandava Ny zava-misy taorian’ny savorovoro


  • Alatsinainy 20 Septambra 2010


 

Nisy fiantraikany amin’ny famaranana ny asa fanamboarana ireo fotodrafitrasan’ny Tetikasa Ambatovy (mitrandraka nikela sy kobalta) sy ny fanodinana ny orinasa ao Tanandava, ny zava-nisy tao ho ao izay. Noho ny fitokonana lavareny nataon’ny mpiasa dia misy fahatarana ny asa rehetra izay efa an-dalam-pamitana. Ny herinandro lasa iny, ny alarobia no marimarina kokoa, dia nampiseho ny momba ity orinasa goavana ity sy ny pitsopitsony tamin’ny mpanao gazety ny tomponandraikitry ny tetikasa Ambatovy. Nandritra izany ny nanazavan’izy ireo fa tany manana velarana 03km2 no misy ny orinasa manontolo izay mizara ho departemanta telo sy sampan’asa 30.
Saro-pady...
Orinasa telo goavana nefa iray ihany raha tazanina no misy, mifampitohy asa atao ary mifanampy tanteraka ihany koa. Orinasa goavana sy tena saro-pady tanteraka noho ireo fitaovana miasa sy ny vokatra hampihodinana azy ary ny zava-misy rehetra ao anatiny. Manomboka amin’ny fandraisana ny ranontany avy any Ambatovy Moramanga izany amin’ny alalan’ilay fantsona lava be mahatratra 400km any ho any, mandalo amin’ny fisivanana samihafa hanalana ny nikela sy ny kobalta tena ilaina ankoatra ireo singa hafa mety ho hita toy ny vy, silisioma, varahina, viraty..., ary tonga amin’ny vokatra farany izay ahazoana ny tena trandrahana sy ny fanondranana azy. Raha efa eo am-pamaranana ny fanorenana ny orinasa roa dia mbola eo am-pananganana kosa ankehitriny ilay orinasa fanivanana (raffinerie), nefa ity orinasa farany ity no tena antom-pisian’ity tetikasa ity eto Madagasikara amin’ny fitrandrahana ny nikela sy ny kobalta.
 
ENCADRE
Mampiasa vokatra simika maro ny tetikasa amin’ny fanodinana ny vokatra ataony. Misy amin’izy ireo no vokarina ao an-toerana ihany misy kosa ireo hafarana. Manafatra arintany (charbon de terre) avy any Dubai sy Afrika Atsimo ny tetikasa hampihodinana foibe mpamokatra herinaratra manokana ho azy. Misy koa anefa no alaina ao Soalara (Toliara) hanampiana izany. Motera 2.000 no indray mihodina mandefa ny orinasa amin’ny fotoam-piasany, ka herinaratra 75 hatramin’ny 80MW no hiasa mandritra izany. Mpiasa 2.000 eo no ilaina mandritra ny asa fitrandrahana, raha efa mananiky ny 12.000 kosa amin’izao fotoam-panganana ny tetikasa Ambatovy izao, eo amin’ireo departemanta telo misy sy ireo sampanasa 30 mandrafitra ny asa.
 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT