Actualités

Tetikasa Ambatovy Sandaina 75 tapitrisa dolara ny “permis d’opérer”


  • Alarobia 12 Septambra 2012

Niverina indray ny filankevitry ny governemanta rehefa niato roa herinandro teo izay, noho ny fialantsasatr’ireo minisitra mpikambana.

 Anisan’ny voadinika teny Mahazoarivo omaly ny mikasika ny raharaha Ambatovy. Fantatra ary fa homena  ilay fahazoan-dalana, dia ilay “permis d’opérer” andrasany hatramin’izay ny tetikasa hahafahany mamokatra. Enim-bolana ihany anefa no faharetany, saingy azo havaozina. Ho sandany kosa dia mandoa vola 75 tapitrisa dolara amin’ny fanjakana ny tetikasa Ambatovy, ka ny 50 tapitrisa dolara amin’io harotsaka ho tarihy ao amin’ny Trésor ary ny 25 tapitrisa dolara kosa hatokana hanaovana asa sosialy. Hisinda kely indray aloha izany ny ahiahin’ny mpiasa an’arivony ao tetikasa Ambatovy izay efa notandindomin’ny “chomage technique” raha nitarazoka ny fahazoana io “permis d’opérer” io.

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT