Hanaratsy endrika an’i Madagasikara sy izao fitondrana FAT izao ity grevy mitady hitarozaka ao Tanandava misy ny tetikasa Ambatovy ity. Miakatra ny tosidra. Tonga tamin’ny fandorana trano ny hetsika ataon’ny mpiasa mitokona omaly.
Ankoatra izay dia mamofompofona fanavakavahana ara-piaviana ary ahiana hampifandona ny samy hafa foko izy ity raha tsy mitandrina. Any mantsy no hita fa fototry ny olana, ary takian’ny mpiasa, toy ny hoe : tsy maintsy zanak’i Toamasina ny 60%-n’ny mpiasa raisina amin’ny fananganana sy ny fanodinana ny orinasa ao Tanandava. Efa tratra ny 55% araka ny fantatra. Na izany aza ao anatin’ny fifampiraharahana sy fifampidinihana ary fandraisana fanampahan-kevitra momba ny antony mampitokona ny mpiasan’ny Keangnam Ltd, izay miasa eo anivon’ny tetikasa Ambatovy, ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany eo anivon’ity tetikasa lehibe ity. Nanomboka ny sabotsy lasa teo iny, dia misy hatrany ny fiaramanidina manokana tonga ao Toamasina mitondra ireo tomponandraikitry ny tetikasa, hamaha ny olana mampikatso tanteraka ny asa fanorenana ilay orinasa goavana hisivana ireo nikela sy kobalta ao Tanandava.
Miantso vonjyMihasarotra anefa ny raharaha ankehitriny, samy miziriziry amin’ny heviny mantsy ny mpitokona sy ny mpampiasa, na efa mandeha ihany aza ny fifampiresahana. Fantatra koa izao, fa miantso vonjy amin’ireo loholona sy raiamandreny ary ireo fikambanana samihafa afaka miara-miasa aminy ny tetikasa Ambatovy. Efa niditra an-tsehatra nandamina ny ekipan’ny faritra Atsinanana. Efa nandalo tao koa ny alatsinainy teo ny raiamandreny sy loholona notarihan’i Fanony Fulgence, fa hatramin’izao mbola mikatso ny asa. Ireo te hiasa aza voatery mijanona ihany koa satria voabahana ny vavahady fidirana ao Tanandava. Ny alatsinainy teo anefa, niditra tahaka ny handeha hiasa ireto mpiasa mitokona ireto, ka raha vao tafiditra ny orinasa izy ireo dia nitokona tao anatiny, ka nampisahotaka ny mpitantana ny orinasa satria misy fitaovana lafo vidy be ity orinasa natsangana efa ho roa taona ity.
Omaly talata no nahalalana fa nampanantsoina aty Antananarivo ireo mpitarika fitokonana. Tsy mazava ny anton’ny fiantsoana ka miandry mafy ny fiverenany ireo namany, izay vonona hiditra amin’ny fitakiana mafimafy kokoa raha misy tsindry hazo lena. Ankoatra izany, nanararaotra ny fandalovany tao Toamasina ny alatsinainy teo ny praiministra Camille Vital, ka nitafa sy nifampidinika koa tamin’ireo mpiasa niaraka tamin’ireo tomponandraikitry ny tetikasa. Tsy nisy nipika ny dinika tao, sarotra rahateo ny fikaroham-baovao fa tena manidy trano ny tetikasa Ambatovy. Ny tsikaritra dia vaky loha mafy momba ity raharaha Ambatovy sy mpiasan’ny Keangnam mitokona ity ny praiministra Camille Vital tonga tao Toamasina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.