Manoloana ny fitakiana vola ataon’ireo mpiasa tapitra “contrat” ka manao ilay hetsika “Tsy misy miala aketo niany” any Toamasina dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny tetikasa Ambatovy ka nilaza fa tsy hanaiky handoa io vola io ary tsy tompon’andraikitra amin’izay zavatra mety hitranga.
Etsy ankilan’izay anefa dia manizingizina ireto mpiasa ireto fa mitaky ny zony, ary vola 6 tapitrisa Ariary isan’olona no angatahany. Bitika izany raha oharina amin’ny miliara maro azon’ny tetikasa Ambatovy, hoy izy ireo. Ankoatra izay moa dia mandroso hevitra ihany koa ireto mpiasa ireto hoe amin’ilay 25 tapitrisa dolara nomen’ny tetika Ambatovy ny fanjakana no hikarakarana an-dry zareo. Dia mihenjan-droa izany ny tady satria tsy hanaiky lembenana ny orinasa, izay efa nanamafy fa nahazo tsara ny antsoina hoe “indemnité de chômage” ireo mpiasa tapitra fifanarahana ireo. Efa notaterina teto ihany fa misy ambadika ity fitakiana ity, fa tsy tena fitakiana madio. Araka ny tsiliantsofina re aza dia nisy mihitsy ny fizarana vola ho an’ireo mpanao fihetsiketsehana. Mazava io fanambaran’ny tetikasa Ambatovy io fa tsy hanaiky lembenana ry zareo ka hanome vola izay rehetra mitaky. Azo eritreretina fa handray fepetra hentitra sy henjana ho fiarovana ny orinasa izy ireo, matoa miteny hoe tsy tompon’andraikitra amin’izay zavatra miseho eo.
Matanjaka ny tetikasa Ambatovy izay misy mpiara-miombon’antoka Kanadianina sy Amerikanina, ary tsy vahiny amin’ny fitakian’ny mpiasa tahaka izao. Ny somary manahirana amin’ity raharaha ity fotsiny dia ny mety hisian’ny tanan’olona manana toerana ambony mijabaka ao anatin’ilay izy, ka ireto mpiasa efa tapitra “contrat” ireto no atao fitaovana hahazoana izay zavatra tiany, dia ny vola ihany. Tsara homarihana fa fahazoan-dalana hitrandraka sy hanondrana mandritra ny enim-bolana ihany aloha no nomen’ny fitondrana tetezamita ny tetikasa Ambatovy. Izay rehetra mahafantatra ny resaka fandraharahana dia mahatakatra tsara fa paikady efa fanao io mba hahafahana maka hetra na bolongam-bola hafa indray, rehefa hiroso amina fanomezana fahazoan-dalana tapany faharoa. Ny somary manaitra ny saina ihany koa dia ny fahasahian’ireto mpanao ny hetsika “Tsy misy miala aketo niany” ireto, izay efa niteny mihitsy hoe sakano izahay, sambory izahay izay sahy ! Tahaka ny hoe manana antoko lehibe ry zareo fa tsy misy sahy mikitika azy ireo izany. Raha tsorina ny resaka dia efa misy manampahefana afaka miaro izany ry zareo
. Ankoatra izay dia mampametra-panontaniana ihany ny mahatonga ireto mpiasa ireto hitaky ny fialan’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina. Manoloana izany dia tsy misy mba fihetsika ataon’ny fitondrana foibe mihitsy, fa dia tahaka ny hoe manome rariny ny fitakian’ireo mpiasa ny governemanta. Ahiana hihenjana ny toe-draharaha ao Toamasina ao satria samy tsy misy hanaiky ho lembenana. Ny mpitondra fanjakana rahateo mangina fa tsy mba milaza ny heviny na mirotsaka mandamina ny raharaha.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.