Tetikasa 3P Youpi Water Park

CUA Ho fanatsarana an’Antananarivo


  • Alarobia 25 Aprily 2018

Ho fanatsarana ny tanànan’Antananarivo dia mamaramparana ny fanamboarana ny toerana etsy amin’ny « avenue Cenam 67 ha Sud » ny Youpi Water Park izay tetikasa filamatra (projet pilote) azo atao amin’ny toerana malalaka rehetra.

 

 Tetikasa  3P iarahan’ny CUA na ny kaominina Antananarivo Renivohitra miaraka amin’ny Youpi Water Park tantanan’ny mpandraharaha Affick Gassard izy ity ka ny Radio Ciel any Antalaha izay tantanany ihany koa dia ao anatin’ny fankalazana ny faha-10 taona niorenany sy ny SAVA Discovery no mamatsy vola azy. Raha tsiahivina, toerana fanaovan’ny olona maloto ity toerana ity taloha ka izao hajarian’ny YWP ho lasa toerana fitsangantsanganan’ny olona izao. Tsy mba manana toeram-pivoahana ara-dalàna ireo tokantrano miisa 400 ao anatin’ny fokontany 10 manodidina sy mandalo amin’ity toerana ity , hoy Atoa Affick, ka natao vaindohan-draharaha ny fananganana toeram-pidiovana (WC sy DOUCHE) ao an-toerana. Ankoatra izay, amin’ny maha toerana marolafy azy dia ahitana “Snake” sy “restauration” koa ao, hisy ihany koa ny « presse café » hiarahana amin’ny Airtel Madagascar, ny Poste de police, toeram-pikojakojan’ny vehivavy vatana, zaridaina, fanamboarana kodiarana fiara ary toeram-pilalaovana ho an’ny ankizy (Manège, Carrousel, Trempoline, Rodéo Boy II) sy ho an’ny rehetra (baby foot, billard, tenisy ambony latabatra). Efa nisy moa fikarakarana fitsangantsanganan’ny olona tao amin’ity toerana ity tamin’ny alatsinain’ny Paska 2018 teo nialoha izao famaranana ny fanamboarana azy izao. Heverina amin’ny volana mey ho avy izao no tena hisokafan’ity toerana ity ho an’ny besinimaro.

 

Ntsoavina Evariste


 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT