Actualités

Tetibolan’ny CUA Nobangan’ny fitondrana 2 miliara ariary


  • Alakamisy 08 Febroary 2018

Araka ny efa nambaran’ny lefitry ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Andriamorasata Julien, ny alatsinainy teo dia notsoahana tamin’ny fiadidiana ny kaominina Antananarivo na ny CUA ihany koa ilay antsoina hoe “droit de circuler”,

 izany hoe tsy nampidirina ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola 2018 intsony. Raha ny fanampim-panazavana nomen’ity lefitry ny ben’ny tanàna ity omaly dia tsy zava-baovao fa efa zon’ny kaominina rehetra maneran-tany. Efa tao anatin’ny antsoina hoe “Budget primitif”. Raha halana amin’ny kaominina izany io manomboka izao dia ho banga hatrany amin’ny 2 miliara sy 500 tapitrisa ariary isan-taona any ho any ny tetibola ahafahan’ny kaominina mihetsika, raha ny fanazavana hatrany. Misy fiantraikany goavana amin’ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny kaominina io, hoy izy, ary nanala ny fahafaha-mamorona na “droit de creation” eo anivon’ny kaominina. Mahagaga, hoy ny tenany, fa ny fanjakana no tompon’ny vondrona itsinjaram-pahefana (collectivité) kanefa dia izao no ataony.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT