Hatao mazava ho fantatry ny vahoaka eny ifotony manomboka izao ny tetibolam-panjakana.
Ny tena mahamaika dia ny hahafantaran’ny tsirairay avy ny hanaovana ireny karazana hetra alaina aminy ireny, hisian’ny mangarahara amin’ny fampiasana ny volam-panjakana. Nisantaran’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola izany omaly ny fampitana ny vaovao tsara ho fantatra rehetra tamin’ny mpanao gazety, hetsika izay mbola hitohy any amin’ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Nambaran-dRazanajato Mialy Lanto, talen’ny tetibola fa efa tena miditra tanteraka ao anatin’ny fanatsarana izy ireo ankehitriny. Tafiditra ao ny famolavolana sy fikarakarana ny tetibolam-panjakana manomboka ny taona 2018 ka hatramin’ny 2020. Hiova mihitsy ny toe-tsaina hitondrana izany, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity satria tsy resa-bola fotsiny ihany no tena hifantohana fa anisan’ny hojerena ihany koa ny tanjona sy ny vokatra mety ho azo amin’ny alalan’ny fampiarahana izany ao fandaharan’asa ankapoben’ny fanjakana sy ny drafitra nasionaly momba ny fampandrosoana. Tsy hitsahatra ny fampisehoana ny mangarahara, fandaharan’asa iarahana amin’ny UNICEF fanaparitahana eny anivon’ny fokontany sy ny kaominina, hoy izy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.