Notanterahina omaly tetsy amin’ny hotel Colbert Antaninarenina ny atrikasa fampahafantarana ny fangaraharan’ny tetibolam-panjakana tamin’ny taona 2017 izay nataon’ny msis tatao (tohana sy ainga ho an’ny tambajotran’ny olom-pirenena) sy ireo mpiara-miombona antoka toy ny UNICEF,
Vondrona eoropeanina ary ny International Budget Transparency. 34/100 ny antontanisa azon’i Madagasikara tamin’ny fanadihadiana natao. Kely dia kely, araka izany, ny fizarana ny antontam-pahalalana momba ny tetibola sy ny fitantanam-bola eto amintsika. Raha vao latsaky ny 60/100 ny isa azon’ny firenena, tsy ampy ary ambany ny fangaraharan’ny tetibolany, hoy ihany ny msis tatao. Tsy sarotra mihitsy anefa no manenjika io isa io raha manao ny asany tsara ny minisitera rehetra. Izy ireo mantsy no tompon’andraikitra voalohany hanatanteraka ny politikam-panjakana entina mampandroso ny firenena ary tena tokony hametraka tsara ireo tetibola ireo ho any amin’ny tokony ho izy. Raha ny eto amintsika aloha dia tsy mangarahara mihitsy ny tetibolam-panjakana. Ambany be koa ny fampandraisan’anjara ny olom-pirenena amin’ny fandinihana ny lalan’ny tetibola : 9/100 araka ny tatitry ny fanadihadiana natao ihany. Tsy mahagaga raha tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny politikan’ny fampandrosoana satria mivily lalana ny vola. Any amin’ny famolavolana ny tetibola amin’ny antsipiriany mihitsy dia efa lesoka ny fijerena ny laharam-pahamehana mainka moa ny fanatanterahana. Olana ihany koa ny tsy fahafahana mitsirika sy manamarina ireo ambaratonga maro samihafa hijerena ny fandaniam-bola sy ny zava-bita ka manao izay tiana atao ny minisitera. Tsy mandeha amin’ny tokony ho izy ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana izay efa voasoritra. Tokony handray anjara amin’ny famaritana mihitsy ny fiarahamonim-pirenena ny amin’ny famolavolana ny paikady ankapoben’ny fanaovana ny tetibolam-panjakana (letter de cadrage) mialoha ny andaniana izany eny amin’ny antenimieram-pirenena. Rehefa vita izany dia tokony hisy tatitra mazava atao amin’ny vahoaka mba hisian’ny fangaraharana
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.