Actualités

Tetibola 2016 «Hazavao ho fanta-bahoaka !»


  • Alatsinainy 23 Novambra 2015

Ilaina hazavaina sy ho fanta-bahoaka ny votoatin’ny tetibolam-panjakana 2016, hoy ny avy eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena.

 

Tsara hampandraisana anjara manomboka amin’ny famolavolana, ny fampiharana sy ny fanaraha-maso azy io ihany koa ireo sehatra samihafa. Mifantoka amin’ny teboka efatra lehibe ny fanamarihana miaro fanontanian’ny firaisamonim-pirenena momba ny tetibola ampiasain’ny firenena Malagasy amin’io taona 2016 hitsidika io. Tena eo am-pelatanan’ny mpitondra fanjakana marina ve ny fitambaran’ny bolongam-bola voalaza an-taratasy dinihana eny amin’ny Antenimieram-pirenena ? Mivoaka amin’ny fotoana ampiasana azy tokoa ve ny tetibola isan-tsokajiny ? Tena ampiasain’ireo minisitera sy rafi-panjakana samihafa amin’ny ilana azy tokoa ve ny vola mivoaka ary ahoana no azo andrefesana ny lalàna mifehy ny tetibola amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina ? Soso-kevitra ihany moa ireo hanampiana ny mpitondra mahefa amin’ny fitantanana mahomby ny raharaham-pirenena izay tokony hametraka ho laharam-pahamehana ny lafiny sosialim-bahoaka toy ny fahasalamana sy ny fanabeazana, araka ny fahitan’ny fiarahamonim-pirenena azy.

Nangonin-dRamano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT