Lany teny anivon’ny vaomieran’ny toekarena sy vola teny anivon’ny Kongresin’ny tetezamita tamin’ny alakamisy teo ilay volavolan-dalàn’ny tetibola 2013 Lah. 027/2012 tamin’ny 31 oktobra 2012, notohanan’ny teknisianin’ny ministeran’ny vola sy tetibola notarihan’ny minisitra Hery Rajaonarimampianina.
Tsy nilana fandinihana faninefany tokony ho natao ny zoma araka ny voafaritry ny fandaharam-potoanan’ny teny Tsimbazaza izany izy io. Amin’ny ankapobeny, hoy ny Dr Andriambololona Barison Claude, filohan’ny vaomieran’ny vola sy tetibola eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita, dia ny vola miditra ihany no azo hohanina ao anatin’itony tetibola itony. Tsy nahazo vola avy any ivelany isika nandritra ny telo taona, hoy izy, ka ny volan’ny Tahirim-bolam-panjakana no nampiasaina hatreto nefa dia nahatratra ny “point d’achèvement” izany ary niabo ny ho 1,9 ny harinkarena faobentsika ka tsy hotatazana trosa izay ho mpitondra ny Repoblika ho lany eo ary hahazo fampisamboram-bola mazava avy amin’ny Iraisam-pirenena satria ny Banky iraisam-pirenena no namoaka ireo antontan’isa ireo.
Tsy misy valaka ny tamin’ity taona 2012 ity io tetibola 2013 io, hoy ny Dr Barison Claude, miompana indrindra amin’ny fitsitsiana ka raha nahavita io nolaniana tamin’ny taon-dasa io nahoana no tsy ho laniana ity mitovy aminy ity ? Ny minisitra rahateo, hoy izy, efa nanome toky fa raha toa ka misy fahasahiranana dia hanampy ny parlemantera tahaka ny tamin’ity taona ity ry zareo. Nambarany fa ireo izay tsy mamaky tsara ny volaza ao anatin’ny boky mirakitra ity volavolana tetibola ity no avo vava sy manakiana be fahatany. Tsara ny tontolo ara-toekarentsika, hoy ity CT ity, fa tonga dia afaka miasa malalaka izay mpitondra tonga eo. Raha resaka fanitsiana indray dia azo atao izany saingy raha aty amin’ny parlemanta no manao izany dia tsy maintsy mitady lalam-bola hafa hamenoana izay hahitsy. Raha atao bango tokana dia rehefa tsy misy fanampiana avy any ivelany dia tsy tokony hisy ny fampiasam-bola fanaovana fotodrafitrasa vaovao sy ny karazany fa fanatanterahana fifidianana no nifanarahana. Ireo rafi-panjakana isanisany dia manana ny tetibola azy manokana ary tsy baikon’ny ministeran’ny vola ny fitantanana izany ka raha tena mahay ny mpitantana any amin’izy ireny dia ho ampy tsara io vola io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.