Noraisin’ny ben’ny tanànan’Ambohimanambola, Ramilison Donnat, ara-teknika ny talata 24 novambra teo ho azo ampiasana avy hatrany ny tetezana fandehanan’ny mpandeha an-tongotra eo Ampahimanga fidirana amin’ny kaominina.
Ny “Entreprise Nandrianina” no nanatanteraka ny asa nanomboka ny faha-28 oktobra teo ary teo ambany fanaraha-mason’ny “Direction régionale des travaux publics Antananarivo” satria famatsiam-bola Epic no nahazoana nanatanteraka ny asa. Mbola ho avy amin’ny fotoana maha mety azy ny fitokonana ofisialy an’ireo zava-bita rehetra eto amin’ny kaominina, hoy ity ben’ny tanàna lany tamin’ny anaran’ny TIM ity. Marihana fa tetezana vita fototra vato ara-dalàna dalàna manakaiky an’ilay fitenenana hoe : manara-penitra izy ity raha natao zara fa vita fotsiny ny teo aloha tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana filoham-pirenena 2014 farany teo izay nentin’ny kandidà iray nambamboana ny fon’ny olona ka nirodana ho azy. Anisan’ireo asa mivaingana vita taorian’ny nandraisany ny fitantanana ny kaominina nanomboka ny fiandohan’ny volana oktobra teo ity asa ity sy ny ny fanarenana an’ireo lakandrano hampiasain’ny mpamboly miainga eo fokontanin’Andramanonga hatrany Morarano izay vakivaky nefa tsy nisy nijery hatrizay.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.