Actualités

Tetezan’i Kamoro RN4 Ho tapaka isa-maraina amin’ny 08ora-12ora


  • Alarobia 15 Febroary 2017

Hamboarina ny tetezan’i Kamoro any amin’ny lalam-pirenena faha-4 mampitohy an’Antananarivo-Maevatanŕna-Mahajanga, eo amin’ny PK 406+400 manomboka anio

. Hisy ny fikojakojana sy fanajariana ireo gorodona vy sy ireo andry mety misy fahasimbana mba hanamafisana ny fotodrafitrasa sy hitsinjovana ny fivezivezena lavitry ny loza. Ny minisiteran’ny asa vaventy no miandraikitra feno ny asa. Misy ny fandaminana hapetraka mandritra ny fotoana fanamboarana. Tsy azon’ny fiara atao ny mivezivezy eo amin’io tetezana io manomboka anio 15 febroary ka hatramin’ny 27 aprily manomboka amin’ny 8 ora maraina  ka hatramin’ny 12 ora antoandro. Azo aleha kosa aorian’izay. Mihatra mandritra ny herinandro ankoatra ny alahady io fepetra io. Malalaka ary azon’ny rehetra atao tsara kosa ny mandeha isaky ny alahady. Mety hiteraka fikorontanana eo amin’ny fifamoivoizana any amin’iny lalam-pirenena faha-4 iny izao asa fikojakojana izao, saingy mila miafy sy miaritra ny rehetra satria fanasoavana ny fotodrafitrasa no atao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT