Mandalo eto Iarivo ny terak’i Betroka ahitana ben’ny tanàna miisa 19 any amin’ity distrika ity, notarihan’ny filohan’izy ireo, Raherivelo Abel Julien izay avy namonjy ny zaikabem-paritry ny HVM tany Mahajanga.
Naheno ny fanaratsiana ny solombavambahoaka Randrianasolo Jean Nicolas voafidy tany amin’iny distrikan’i Betroka iny nataon’ny ben’ny tanànan’i Betroka tao amin’ny televiziona tsy miankina iray izy ireo ka tsy nahatsindry fa namaly bontana ny voateny teny Antaninarenina omaly. Niezaka ny tsy niteny ihany izahay hatramin’izay, hoy Atoa Abel Julien, nefa tafahoatra loatra ny voalazan’ity ben’ny tanàna avy any aminay ity izay iray amin’ireo ben’ny tanàna 3 amin’ny 22 misy tsy ao anatin’ny fikambanan’ny ben’ny tanàna any Betroka. Ambaranay ben’ny tanàna 19 tarihako fa tsy mankasitraka velively ny fanaratsiana atao amin’io solombavambahoakanay io ankehitriny izay nahavita be teo amin’ny fanampiana ara-tsosialy ny vahoakan’i Betroka ary nanentana ny olona niaraka tamin’ny OMC amin’ny tsy tokony hironany amin’ny fangalarana intsony. Olona tena tsy tia ny fampandrosoana entiny any amin’ny misy anay any ireo manakiana azy ireo. Tsy niangatra ity depiote Nicolas ity fa nanampy ny rehetra hatramin’ireo ben’ny tanàna manohitra azy ireo aza tamin’ny fanolorana ny kaominina 22 any Betroka rehetra milina Kubota sy zezika samihafa ary mbola nampiditra ao anatin’ny CLD-n’i Betroka koa ny fanomezana moto ho an’ireo kaominina 22 misy any an-toerana ireo. Saika kandidà nifaninana hofidiana solombavambahoaka tamin’ny depiote Nicolas avokoa ireo manaratsy azy ireo ka tsy mahagaga fa efa manakaiky indray ity ny fifidianana ho avy ka atao izay hanaratsy fotsiny izao ny sarin’ny solombavambahoaka Randrianasolo Jean Nicolas. Tsotra ny teninay, hoy i Abel Julien, mba mijere ianareo mpanaratsy fitaratra vao miteny olona ary amin’ny taona 2018 mifankahita.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.