Actualités

Tenisy – Lalaon’ny Nosy Fototry ny naha lah-3 i Madagasikara ny tenisy nefa …


  • Alakamisy 13 Aogositra 2015

Nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara izay nanomboka ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny ACSA Ambohidahy no nanararaotan’ny ekipan’ny federasiona malagasy nanaovana ny tatitry ny Lalaon’ny Nosy tany La Réunion.

Natomboky ny filohan’ny federasiona Rajaobelina Tsialiva tamin’ny fampahatsiahivana fa “100% ny fahombiazana satria azontsika avokoa ireo volamena dimy niadiana na teo aza ny olana samihafa. Natanjaka i La Réunion ary nanantena fahombiazana nefa tsy navelan’ireo mpilalao malagasy naka volamena na iray aza. Ezaky ny atleta no tena fototry ny fahombiazana, … tsy mba nahazo fanampiana nandritra ny fampivondronana akory izy ireo satria mpilaravinahitra nefa nahavita vokatra niavaka fa ny vola am-paosy indray no nanaraka. 100% ny fahombiazana fa aiza ny fanjakana ? Be dia be ny lesoka fa iza no tena tomponandraikitra fa mifanilika fotsiny ny Minisitera sy ny KOM. Ny tena nandrasanay amin’ny fanjakana dia hoe ahoana ny fijereny ny fanatanjahantena amin’ny ankapobeny, misy vahaolana fa tsy voatery miafina ambadiky ny tsy fananam-bola”, hoy hatrany Rajaobelina Tsialiva.

“Mba tena misy lanjany ho an’ny Fanjakana tokoa ve ireny volamena ireny ?Ireo mpilalao mpilaravinahitra rehetra ireo dia nahafoy ireo fifaninanana ahafahany mandray vola nefa nisafidy izy ireo hiaro ny voninahi-pirenena avokoa”, hoy kosa Rajaobelina Rija kapitenin’ny ekipa malagasy nanipy teny hampatonga saina izay iantefany.

Tsy mitombina

Ankoatra izay dia nanipika ny filohan’ny federasiona fa “tsy mitombina ny fampitahana nataon’ny minisitra (tanora sy fanatanjahantena) mikasika ilay hoe tratra ny tanjona fa lah-3 i Madagasikara raha lah-4 isika tany Seisela (2011). Aza hadinoina fa tsy nisy tenisy ny Lalaon’ny Nosy tany Seisela ary 34 ny volamena azo, izao nisy tenisy dia niakatra 36 ny volamena azontsika ary lah-3 i Madagasikara”.

Fehiny dia tokony hitodika be kokoa amin’ny fanampiana ireo taranja mamokatra ny fanjakana, isan’ny andrasan’ny federasion’ny tenisy ny fanampiana azy hampiroboroboana ireo tetikasany. Isan’izany ny fiantohana ireo mpilalao zandriny efatra tokony hiofana herintaona any Maraoka. Miandry valiny vy amin’ny fanjakana hatramin’ny zoma ny federasiona satria mila mandoa sarampan-draisana anjara 3000 dolara isaky ny mpilalao izany hoe 12 000 dolara. Ankoatra izay dia tokony hamonjy ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ho an ireo faritra koa i Tafangy Daniela ny 24-27 aogositra fa miandry ny fanampiana avy amin’ny fanjakana satria efa ady be vao tafiditra handrafitra ny ekipan’i Afrika faritra atsimo io mpilalao io. Ny tetikasa tena goavana koa dia ny mikasika ilay foibe federalin’ny federasiona etsy Mahamasina, “Efa nahazo fahazoan-dalana avy amin’ny kaominina fa mbola mila vola 300 tapitrisa ariary hanarenana ny toerana. Kianja dimy sy toeram-pidiovana sy fiomanana no hatao eo, ny foiben’ny federasiona ary botika fivarotana fitaovana”.

Mikasika ny fifaninanana nasionaly dia saika mandray anjara ao avokoa ireo mpilalao nahazo volamena tamin’ny Lalaon’ny Nosy ahitana an’i Zarah, Niriantsa, Jacquinah, Zaka kely, Mamy Ialy, Rija Rajaobelina.

Rasanda Serge


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT