Actualités

Tence Mena sy Black Nadia Hanatanteraka ny « Face ŕ Face » ny Volkan Prod


  • Zoma 20 Martsa 2015

Taorian’ny nitondran-dry zareo mpanakanto malaza tany Sakaraha sy Ilakaka dia miverina eto Antananarivo indray ny fikarakaran’ny Volkan Prod tarihan-dRafaralahy Roger lanonana an-kalamanjana ka etsy amin’ny Complexe Ampefiloha amin’ny alatsinain’ny paska,

 

 ny 6 aprily ho avy izao, no hitondran’izy ireo ny vahoaka eto Antananarivo sy ny manodidina ary ireo vahiny avy lavitra hiala voly tanteraka taorian’ny loza voajanahary nandalo tao ho ao izay. Nasain-dry zareo handray anjara amin’izany manokana i Khaleba sy Stéphanie ary i Tence Mena sy Black Nadia izay hanatanteraka ny  « face à face » efa nonofinofisin-dry zareo tany aloha tany, ao anatin’ny hetsika « Donan’ny samy mahery », izay iray mandresy.   Nampanantena ny mpikarakara fa ny raitra tanteraka no hatolotr’izy ireo ny vahoaka amin’io andro fitsangantsanganana io ka ho azo antoka ny fandriampahalemana sy fametrahana fiara, ho raitra ny fanamafisam-peo  ary hamidy mora ny sakafom-pitsangantsanganana ho hita eny an-toerana. Satria vahoaka no tsinjovina dia nanambara Atoa Rafaralahy Roger fa ho sahaza ny rehetra ny saram-pidirana ny toerana.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT