Actualités

Temple de Pierre Mizael Kung Fu Vita ny Gymnase goavana


  • Alatsinainy 18 Desambra 2017

Notokanana ny sabotsy lasa teo ny Gymnase lehibe ao anatin’ny Temple de Pierre Mizael Kung Fu eny Ambatomirahavavy ; ampahany voalohany amin’ny asa goavana fanamby napetraky ny Grand Maite Avoko izay zanaka lahin’ny Grand Maitre Pierre Mizael (Pierre Be) ity vita ity.

 

Ahitana fitaovana sy kojakoja ara-teknika maro ilain’ireo mpikotrana izy ity.Tonga teny an-toerana nitokana izany fotodrafitrasa izany ny sabotsy teo ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao izay nisolo tena ny filoham-pirenena, tazana teny ihany koa ny minisitry ny indostria, ny fitaterana, ny minisitra lefitra misahana ny raharaham-bahiny ary i Jaobarison Randrianarivony mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena.Fahatongavana izay midika fa eo anilan’ny fitondram-panjakana ny kung fu Wisa ary anisan’ireo mangataka indray ny mbola hirotsahan’i Hery Rajaonarimampianina ho fidiana filoham-pirenena amin’ny 2018.Nanamarika moa nandritra io lanonana io nyfilohan’ny federasionina Malagasin’ny kung fu Victor Rakotoarisoa sy ny Grand Maitre Avoko fa fanombohana ihany io satria mbola hitohy ny asa fanamboarana amin’ny taona ho avy.Tanjona ny hametraka ny ivotoeram-pampianarana ambony ho an’ny taranja kung fu aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ary hisintona mpizahantany ihany koa satria manana toerany amin’ny tantaram-pirenena ny kung fu ka maro ny zaatra tsara ho fantatra momba azy.Nanatrika ity lanonana teny Ambatomirahavavy ity ny reny niteraka ny Grand Maitre Pierre be, izay 93 taona ankehitriny ary notronon’ny fianakaviana iray manontolo sy ireo tapaka sy namana eo anivon’ny kung fu Wisa manerana an’i Madagasikara.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT