Actualités

Telo andron’ny Topographie Nahaliana ny olona


  • Sabotsy 29 Aogositra 2015

Nifarana omaly zoma 28 aogositra ny telo andro natokana nampirantiana sy nampahafantatra ny mikasika ny fandrefesantany na Topographie eto amintsika.

 

Nahafa-po ny hetsika teo anoloan’ny Lapan’ny tanàna teto Analakely tamin’ny ankapobeny, hoy Atoa Jean Anthonin Talen’ny fandrefesantany eto amintsika nandalo teny an-toerana tamin’ny andro famaranana omaly na teo amin’ny fahabetsahan’ny olona tonga nitsidika ny fampirantiana na ireo tonga nanatrika ny fifankahafantarana na “présentation” natao ka nametraka fanontaniana maro sy nanome soso-kevitra mahasoa ihany koa. Voaresaka naharitra tamin’izany ny amin’ny PLOF izay handrindra ny resaka ady tany miseholany atsy ho atsy. Tena nahaliana ny maro moa tao amin’ity hetsika ity ny fivoaran’ny teknolojia eo amin’ity resaka fandrefesana ity. Ankoatra ireo “station totale” izay mivoatra andro aman’alina, ohatra, dia efa tazana tao koa ny fitaovam-pandrefesana “Scan statique terrestre” izay mamoaka ny sary ilaina amin’ny alalan’ny “laser”. Fantatra tamin’ny fanazavana teny an-toerana koa fa efa miroso amin’ny “levée Lidar” sy ny “levée Batimétrique” ny fandrefesana malagasy ankehitriny. Mbola olana eto amintsika amin’izao fotoana izao anefa ny amin’ity fitaovana ity, hoy ny Talen’ny Topo, satria efa lafo dia lafo ny vidiny any am-potony nefa mbola manampy trotraka koa ny haba alain’ny fanjakana eto an-toerana amin’ny fampidirana azy ireo. Olana iray hafa koa ny tsy fahampian’ny mpandrefy tany matihanina na “assermenté” eto amintsika. Ny eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananantany, ohatra, dia 60 fotsiny raha 131 manerana an’i Madagasikara. Tokony ho 2 isaky ny fari-piadidiana na isaky ny kaominina mihitsy anefa ny “mpandrefy tany

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT