Actualités

Telma - MVola Fandefasam-bola haingana sy mora atao


  • Alarobia 07 Jolay 2010


Sambany eto Madagasikara sy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana no misy fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday ka ny Telma amin’ny alalan’ny “MVola” no ahafahana manao izany nanomboka ny 30 jona teo. Nisy ny andrana nampisehoana ny fikirakirana io fandefasam-bola “Mvola” io omaly ka Randriarimialy Ridja Andry monina eto an-drenivohitra no mpanjifa voalohany naharay vola nitentina 120 000 Ariary avy amin’ny rahalahiny, Rasolofoson Jocelyn Lantoniaina avy any Betroka. Ohatra sy porofo io fa azo ampisaina ary manan-kery any amin’ny faritra 22 manerana ny Nosy ity fomba fandefasam-bola vaovao ity. Haingana sy manakaiky kokoa ireo mpanjifa ity fomba vaovao ity miohatra amin’ireo fomba fandefasam-bola hafa efa nisy hatrizay. Ny paositra sy ny taksibrosy moa no fampiasan’ny olona any ambanivohitra hatrizay ary hanamora sy hanafaingana ny fandefasan’izy ireo vola manomboka izao ity tolotra vaovaon’ny Telma ity. Eny amin’ireo “Shop Telma” sy fivarotan-tsolika Jovenna moa hatramin’izao no azo hakana sy handraisana ny vola.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT