Actualités

Telma M-Vola Mampikaikaika ireo mpanjifa ny fitavozavozana


  • Zoma 22 Oktobra 2010


Natenain-kanirina vao mainka nampivandravandra ! Raha noheverina hitondra fanampiana sy famonjena amin’ny fahamaizana ilay tolotry ny orinasam-pifandraisan-davitra M-Vola izay ahafahana mandefa sy mandray vola amin’ny toerana mifanalavitra dia toa vao mainka mampimenomenona ireo mpanjifa satria mitarazoka sy mitavozavoza be ny fomba fiasa eny amin’ireo toerana ahafahana manao izany. Anisan’ny afovoan-tanàna ary mahavantana ny mpanjifa ny Telma shop etsy Ambatomena Analakely. Ny tsikaritra anefa dia olona iray no sady mandray ireo mpanjifa milahatra be mandefa sy mandray vola, hany ka lasa lava be ny filaharana. Mahatratra olona 15 hatramin’ny 20 ireo milahatra ary voatery miandry hatramin’ny adiny iray vao tonga amin’ny anjaran’ny tena. “Vola ilaina hitsaboana havana marary eny amin’ny hopitaly izao no halaiko nefa izao lasa voatery miandry ela be indray”, hoy ny renim-pianakaviana iray anisan’ireo nilahatra sady nitaraina. Efa tsy lazaina intsony moa ireo mitsoaka an-daharana fotsiny fa tsy mahandry vao mahita ny filaharana. Mitaky fanatsarana, araka izany, ireo mpanjifa sady efa henjana rahateo ny fifaninanana amin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT