Actualités

Televiziona Malagasy “Camera” iray ihany no iasana


  • Talata 12 Mey 2015

Tongo-bakivaky ka sady maharary no mahamenatra, hoy ireo namana mpiara-miasa ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny tsy fahampian’ny fitaovana ao amin’ny Televiziona Malagasy

 

. Tsikaritra fa “camera” iray ihany no ampiasain’ireo mpanao gazety ao hanomanana ny vaovao vokarin’ny TVM ary olona 18 no mifandimby mampiasa izany anatontosana ny asa. Tsy ao anatin’izay ny manao fandaharana manokana manao famokarana. Mba hamenoana ny banga ary dia tsy vitsy ireo mpanao gazety namana miasa amin’ny fanjakana no mividy ny fitaovana azy manokana. Mahamenatra no sady mampalahelo raha televizion’ny fanjakana no mijaly toy izany manoloana ny fandaniana maro samihafa izay ataon’ny fitondrana ankehitriny. Noho ny tahotra dia efa nosokirina mafy ireto mpiara-miasa ireto vao namboraka izany. Tsy ny fahaizana no tsy misy amin’izy ireo fa ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny ramatahora samihafa no mahatonga ireo mpanao gazety sasany mangina sy mandefitra fa miaro ny kapoakany. Tamin’ny andro naha minisitra an’i Rolly Mercia no mba nahazo “camera” efatra vaovao farany ny TVM, araka ny fanazavana azo, ka ny telo amin’ireo dia efa simba sy tsy miasa intsony. Re fa efa mba mikaroka vahaolana ny Fanjakana.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT