Actualités

Teknolojia vaovao Mitady mpiara-miasa ny orinasa «United Touch Group»


  • Alakamisy 20 Mey 2010


Sehatra miroborobo eto amintsika tokoa ankehitriny ny teknôlôjia vaovao. Raha ny mahazatra hatramin’izay dia any ivelany no miantsena ireo orinasa malagasy ka ireo firenena aziatika toa an’i Thailande, Chine ary Dubai no tena falehany. Ankehitriny anefa dia efa misy koa na dia vitsy aza ny orinasa vahiny mitady mpiara-miasa eto an-toerana vonona handray ny entany. Nisantatra izany ny orinasa «microsoft» izay arahan’ny orinasa «United Touch Group» avy any Taiwan Chine ankehitriny. Ny orinasa «Grace Madagascar» izay manana ny biraony eny Ivato no solontenany eto Madagasikara. Kazarana entana efatra no vokariny izay itadiavany mpiara-miasa eto an-toerana ka ny teknôlôjia tsy mampiasa tariby na «sans fil» no tena voafehiny. Nampahafantarina tetsy amin’ny Café de la Gare omaly ny santionany amin’ireo vokatry ny orinasa ireo toy ny «caméra». Nanamarika Raharison Tojo izay tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny Grace Madagascar fa ananany fahaiza-manao koa ny resaka tambajotra «Intranet».

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT